PERIKOPA FLM-ALAHADY VI Man TRINITE (Elysé Azrael)
Pejy 3
Ny antom-pahatongavan'i Jesosy dia mba hanafaka antsika teo ambanin'ny ozon'ny lalàna.Hoy Lotera hoe "Jesosy no nanavotra ahy olona very sy voaozona tamin'ny ota sy ny fahafatesana ary ny fanjakan'ny devoly,kanefa tsy volamena na volafotsy,fa tamin'ny rany masina sy sarobidy ary ny fijaliany tsy amin-keloka no nanavotany ahy". Noho izany ry hava-malala, SANATRIAVO ny hihemotra amin'ny fanarahan-dia an'i Jesosy! Sanatriavo ny hohandevozin'ny ota indray! ATAOVY "JAMAIS DU GRAND JAMAIS".Hamaranantsika izao Tenin'Andriamanitra izao ary,dia izao: andeha hataontsika filamatra manoloana ny fahotana ny tenin'i Paoly Apostoly hoe "SANATRIA IZANY",ka hametraka fanontaniana aho dia valianareo hoe:sanatria izany:
Ota ve ny laläna?SANATRIA IZANY. Hanota ve isika hitomboan'ny fahasoavana?SANATRIA IZANY. Foana ve ny laläna?SANATRIA IZANY.Foana ve ny lalam-piangonana?SANATRIA IZANY.Tsy hanao asa tsara intsony ve isika satria tsy ambany lalàna f'ambany fahasoavana?SANATRIA IZANY. Mibebaha ary fa akaiky ny fanjakan'ny lanitra

Hametraka hevitra
Midira aloha