PERIKOPA FLM-ALAHADY VI Man TRINITE (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 24
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 2
Io ilay tenin'i Paoly hoe: "asany isika, voaforona tao amin'i Jesosy Kristy, mba haninona? HANAO ASA TSARA!". Izany dia mifanohitra tanteraka amin'ny ETHIQUE DE DEVOIR, na ny hoe "manatanteraka ny laläna MBA HOVONJENA". Tsia ry havana! Tsy amin'ny alalan'ny asa no amonjena antsika fa FINOANA IRERY IHANY, FAHASOAVANA IRERY IHANY, JESOSY IRERY IHANY!
II)INONA ARY NO ZAVATRA TSY MAINTSY TANDREMAN'NY KRISTIANA AMIN'NY FANARAHAN-DIA AN'I JESOSY?
Voalohany dia mila mandeha araka ny Fanahy isika, fa tsy mandeha araka ny nofo. Ahoana moa izany mandeha araka ny Fanahy? Mamela ny Fanahy Masina hiasa ao anatintsika, ka rehefa miasa ao anatintsika Izy dia "manomboka ny asa tsara, ary Izy ihany no hanefa izany", ary vokatr'izany dia "mitombo isan'andro amin'ny fitondrantena masina" isika!
Faharoa dia mila mitandrina isika mba tsy hanaovantsika ho fialokalofana ny fahasoavan'Andriamanitra: Hoy Petera Apostoly: "olona afaka ianareo, nefa aza mampiasa ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy".
24

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0175