Toriteny Jaona 3:16 (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 15
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
Ny Noely na Krismasy dia mifanandrify indrindra amin'ny hafatra entin'ity teksta Jaona 3:16 ity. Nomen'Andriamanitra antsika, nomeny izao tontolo izao ny Zananilahitokana. Ny fanontaniana mipetraka ary dia hoe inona no tanjon'Andriamanitra tamin'izany fanomezany ny Zanilahitokana izany? Ary manaraka izany, dia inona no andrasan'Andriamanitra amin'izany fanomezana antsika ny Zanany izany?
I)Anisan'ny ahafantaran'ny maro ny Noely na ny Krismasy dia ny cadeaux na fanomezana: mahazo akanjo vaovao, mizara bonbon any am-piangonana, sns. Andriamanitra no nampianatra antsika izany fomba izany TAMIN'NY ALALAN'NY FANOMEZANY NY ZANANILAHITOKANA HO ANTSIKA SY IZAO TONTOLO IZAO.
Fa inona no antony? Satria tia antsika loatra Andriamanitra, te hanana fifandraisana akaiky na "rélation intime" amintsika Izy, ka ny zavatra omen'Andriamanitra antsika dia ny PRÉSENCE na fanatrehan'ANDRIAMANITRA MIHITSY eto anivontsika: Tadidio ilay anaran'i Jesosy hoe: IMANOELA fa "Amintsika na eto anivontsika Andriamanitra"
15

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0077