Toriteny Jaona 3:16 (Elysé Azrael)
Pejy 2
Izany hoe tsy ilay Jesosy zazakely IHANY no fanomezan'ny Noely, fa ny Présence-n'Andriamanitra, ny fahazavany, ny fitahiany, ny fahasoavany, ny fiadanany, ary indrindra ny fitiavany izao tontolo izao. Ny fikasan'Andriamanitra mantsy dia "tsy hisy ho very izao tontolo izao, fa hanana fiainana mandrakizay": izay ilay antsoina hoe UNIVERSALISME DU SALUT NA FAMONJENA ANJIABY.II) INONA ARY NO ANDRASAN'ANDRIAMANITRA AMINTSIKA? Valiny: finoana velona! MBA "tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay":.Miandrandra finoana velona amintsika Andriamanitra, ary tadidio fa ny finoana velona dia mitaky asa (na arahin'asa), fa ny finoana tsy misy asa dia maninona hoy Jakoba? MATY MIHITSY. Tsy ampy ry havana ny mamerimberina hoe "mino an'Andriamanitra Ray Tsitoha Mpanao ny lanitra sy ny tany aho, Artikola voalohany, Artikola faharoa, sns", fa mila miasa, miana sy maneho izany finoana izany isika! Mila ACTIF isika: ahoana moa izany olona actif izany? Tsy matoritory, mikofokofoka miasa, marisidrisika...

Hametraka hevitra
Midira aloha