Kiran, navotan'ny tsy nahy (Heriarilala Andriamamonjy)

Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 11
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Tantara ahatsiarovana ny lozam-piaramanidina
Pejy 1
KIRAN, NAVOTAN'NY KISENDRA

Tsy afaka hitantara aminao aho hoe avy aiza, hadinoko daholo ny zava-drehetra.
Indray maraina, taitra tao amina efitrano kely aho, henoko tsara ny rivotra mitsoka any ivelany. Tahaka ny hoe miorina amoron-drano izany ny trano nisy anay. Tsy nanao akanjo ambony aho fa kilaoty fohy tsy fantatro izay no tety an-koditro. Eny e, nirako-damba ihany aho fa lamba tsy fantatro koa ireo. Sarin-tovovavy iray no manemitra ny rindrina manodidina ahy. Amin'ny sary sasany izy mitazona haran-jono, amin'ny sary hafa toa manao aron'akanjo fotsy, arovava. Vao teo am-panontaniana tena momba azy indrindra aho no indro nisy tovovavy niditra ny efitrano nisy ahy. Mitovy tsy misy valaka amin'iretsy sary mahavariana
- Hay taitra ianao ? Misaotra an'Andriamanitra, hoy izy tamin'ny fiteniny izay tsy vaovao amiko na tsy fampiasako aza.
- Manahoana, ianao izany no ... Hoy aho nanandrana nanontany tamin'ny tenin-drazako.
- Hay ianao miteny anglisy ? Kirana aho ! Ary ianao ? Iza no fiantso anao ?
Nivadi-dela vetivety teo izy, hainy ny mampiasa ny teniko na dia hafahafa aza ny fomba fanonony sy ny lantom-peony.
- Tsy haiko ! Sady ianao koa aza tsy fantatro.
- Mmmm, avy aiza izany ianao ?
- Tsy fantatro izany e! Hadinoko daholo ny zava-drehetra.
- Tianao ve izany raha omeko anarana ianao hiantsoako anao ?
Somary nanambitamby kely izy nanontany izany.
-  Mmm, ay, ay. Hoy ny fikaikaikako raha saika hihetsika kely hijery ity tovovavy tsara fanahy manoloana ahy.
-  Fa  maninona ianao ? Hay nisy voakasika ny ratra ! Aleo hikarakarako azy.
- Fa maninona kay aho no maratra be tahaka izao ?
- Andraso ! Mbola hotantaraiko anao ihany fa aleo aho haka ny sakafonao maraina.
Dite mafana, mofo trondro. Ireo no nampody ny heriko vao maraina. Tsy diso ny eritreritro fa monina amoron-drano izahay. Saingy mbola tsy afaka nitsangana loatra hitazantazana aho na dia nisokatra aza ny varavarankely. Tsy nitantara zavatra betsaka loatra momba ahy izy fa nolazainy fotsiny hoe naratra be no nahitany ahy dia notsaboiny aho. Amin'ny tanĂ na kely manamorona an'i Sabarmati no misy anay.
Mahaliana ahy izy. Aiza izay mba ray aman-dreniny ? Na koa hoe ny vady aman-janany ? Mbola tsy ampy dimy amby roapolo ranonorana raha ny fijeriko azy.
Tapabolana taorian'iny nifohazako maraina voalohany iny no afaka nanampy azy tamin'ny fiainana andavanandro aho. Nampianariny ny fiteniny aho ary nihanahay izany tsikelikely.  Nadaboko mihitsy aloha ny ilay lazainy ho teny anglisy fampiasako. Nanana fotoana mamy nifampizarana izahay.
Mahafinaritra ahy ery rehefa tolakandro izahay, miaraka manjono. Nampianariny aho fa zavatra tsy haiko mihitsy izany, dia ampianariny mikiky trondro sy manatsatsika izany amin'ny afo.
- Tianao ihany ve ny fianantsika ry...?
Homehy aho nahita azy tsy nanana anarana hotononina.
- Haha, hay marina moa izaho mbola tsy nomenao anarana ?
- Ie, fa iza izany no tianao hiantsoako anao !
- Ataovy hoe...Kiran ! Sa tsy tianao izany ? Dia mba mitovy ny antsika, ianao Kirana , izaho Kiran.
- Tiako ka ! Hoy izy mitsiky. Nifanopy kely ny masonay.
- Ary, hono, ho'aho, Kirana ve tsy mba... hoy aho niahotra kely nanontany azy.
- Tsy mba maninona ?
- Tsy mba manana havana ?
- Mmmh, manana ihany fa ... tsy haiko.
- Tsy hainao ahoana?
- Ianao no havako !
Nisento izy namaly ahy.
Izaho no havany ? Iza marina no havako? Izy, izy no nitsabo ahy, nikarakara ahy. Izy no miara-monina amiko.
11

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0233