Kiran, navotan'ny tsy nahy (Heriarilala Andriamamonjy)
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 167
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 167
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Tantara ahatsiarovana ny lozam-piaramanidina
Pejy 3
Amin'ny enina ora maraina, niditra ny efitranoko aho. Nipetraka teo ambony seza an-dohafandrianako ny raki-tsariko. Lasa ny saiko hoe mety ho iza no namoaka azy avy ao anaty vatasarihana ? I Kiran ve ? Nosokafako ! Taitra aho, ahoana no nivoahan'ny sarinay sy i... ? Napetrako ny entako dia namonjy ny efitra misy an'i Kiran aho. - Haody !
- Ianao no nandrasako dia handeha aho.
- An ? Handeha ahoana ?
- Mila mitady ny havako aho, izaho irery no tsy amboa tsy alika eto fa ianao kay manana ny anao.
- Fa lalana avy aiza koa moa no isavasavanao ny entako ?
- Azafady, nisy zavatra notadiaviko.
- Zavatra inona ? Dia ao amin'ny entako ve no tokony hisy an'izany ?
- Ka izaho mihitsy no adala e ! Zavatro ve dia ho ao aminao, tokony ho any aminay. Sady izaho angaha moa manana inona ato na tapa-panjaitra iray aza ? Aleo aho handeha !
- Fa ianao sa izaho no tokony ho tezitra e ?
- Eny e, mety hoe diso aho nisavasava tsy niera, fa diso koa ianao namitaka ahy.
- Namitaka ?
- Ie, nolazainao fa tsy manana afa-tsy izaho ianao, nefa... Iza izany ilay lehilahy iny ?
- Fiainako manokana izany Kiran a, nahoana no tsy maintsy ambarako anao ?
- Oadray, ka raha tonga ny fotoana ahafantaran'iny olona iny fa misy lehilahy mitoetra ato aminao, moa tsy loza ho ahy izany ? Nahoana aho no apetrakao eo am-bavaloza ry Kirana a ?
- Am-bavaloza ? Aza miteniteny foana ! Tadidio fa izaho no nanafaka anao avy amin'ny loza !
- Loza inona ? Loza izay mbola afeninao ahy hatramin'izao ? Mba tsy hahitako ny fianakaviako sy ny havako ... Tia tena ianao !
- Dia ho aiza izany ianao ?
- Hitady ny olon-tiako sao mba mitady ahy izy any ho any, ny ray aman-dreniko sao miasa saina ny amiko.
- Eritrereto tsara, tena misy ve izany hoy ianao ? Misy ve izany dia hatramin'izao mbola tsy henonao hoe...
- Aza mandresy lahatra ahy ianao, tsy hiandry hovonoina eto aho.
- Hovonoin'iza ? Kiran a, henoy vetivety aho... Avy eo ianao afaka manapa-kevitra.
Notantaraiko an'i Kiran daholo ny lasako rehetra, avy any Barsana aho. Toerana ambanivohitra mbola mandala ny fomban-drazana, nanana olon-tiana tany an-toerana aho saingy tsy nekena ny fiarahanay na dia efa nandany taona maro aza. Nandratra ny foko ny fahitana ilay olon-tiako notolorana vady noheverina fa mendrika azy. Nahatsiaro menatra ny fiarahamonina aho ka tsy te hijanona teo an-tanànanay intsony. Io olon-tiako efa lasa nanambady io no hitan'i Kiran tao amin'ny raki-tsariko. Nambarako azy fa efa telo taona lasa iny sarinay iny. Efa taloha kelin'ny nanambadiany. Fikasana efa tsy ho tanteraka intsony. Na izy aza any izay mety ho efa manan-janaka.
- Kiran a, tsy manana na iza na iza izany aho. Tsy misy na iza na iza hanao ratsy anao izany ato. Mandry ivohon'ny vato ianao.
- Kirana a, porofoy amiko àry fa tsy mifamatotra amin'iny olona iny intsony ianao.
Norovitiko dia imasony ny sarinay ary natsotrako tany ivelan'ny varavarankely ny tanako, novelariko moramora ny felatanako mba hitsofan'ny rivotra ireo poti-taratasy ho any anaty ranon'i Sabarmati.
- Raha tia ahy izy a, tsy nandao ahy mba hanambady ilay olona natolotra azy. Hoy aho nandray ny tanany roa sady nibanjina azy tsara tamin'ny masony.
- Raha tia ahy koa ny fianakaviako, tsy maintsy ho efa nitady ahy. Hoy izy nisento kely.
Nofihininy aho. Tahaka ny hoe nifanaiky izany izahay fa samy tsy hitady olon-kafa na oviana na oviana intsony.
- Hatory kely aho fa amin'ny 10 isika sy ianao miaraka mandeha any an-tsena. Hoy aho niverina namonjy ny efitranoko.
- Izaho koa hiezaka hanonitra ny torimasoko halina hoy izy namonjy ny fandriany.
Mbola hitohy
Heriarilala Andriamamonjy

Hametraka hevitra
Midira aloha