Kiran, navotan'ny tsy nahy (Heriarilala Andriamamonjy)
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 169
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 169
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Tantara ahatsiarovana ny lozam-piaramanidina
Pejy 2
Kiran, tovolahy tsotra, tsara tarehy. Asa... Mba ankohonana toy ny ahoana no nilaozany any ? Iza avy ? Ray aman-dreny sy iray tampo sa vady aman-janaka ? Efa ho telo taona aho izao no niaina irery. Nanandrana niara-niaina taman'olona indray aho tato ho ato. Kiran, mba tsy azoko koa, fa nahoana izy no nisafidy hitovy anarana amiko ? Maninona izy no tsy nisafidy anarana eropeanina tahaka ny fiaviany. Sa hadinony daholo ireny ? Tapitra ity ny iray volana niatoako tamin'ny asako fa hiverina hiasa isan'andro amin'izay aho. Hisy namana ve izany izy manomboka izao ? Iny izaho lasa vinany iny no niditra tampoka izy nanapaka ny fahanginako izy.- Kirana, manao inona ianao ?
- Misy ilanao ahy angaha ?
- Tsy dia izany loatra, efa te hamantatra ny fandaharam-potoanantsika rahampitso indray aho.
- Hay ve, toy ny isan'andro ihany ka ! Sa leo be ianao ?
- Aiza kosa moa no hoe leo.
- Fa ny amin'ny herinandro no misy miova kely. Sady, mety halahelo anao aho. Hoy aho somary nihantahanta kely.
- Fa ahoana ?
- Hiverina hiasa amin'izay aho.
- Hiasa ? Fa... noheveriko fa mponina amoron-drano ianao dia tsy manana asa afa-tsy...
- Afa-tsy inona ? Miasa any Meghani Nagar aho ka, misy hôpitaly iray izay ao dia...
- Meghani Nagar ?
- Eny, fa...?
- Ohatra ny efa henoko izany, sady ohatra ny misy dikany be amiko.
- Hay ve, tsy mahagaga !
- Dia inona no asanao ao amin'ilay hôpitaly ? Dia fa maninona ianao no niato iray volana.
- Mpitsabo mpanampy aho, fa ianao...izany hoe...hikarakara anao no antony niatoako. Saingy tsy nisy mpahafantatra izany, noteneniko fotsiny ny lehibeko hoe tsy maintsy mody kely any ambanivohitray aho fa misy ...
- Hafahafa !
- Fa ahoana ?
- Mpitsabo mpanampy ianao, nefa niato tao amin'ny hôpitaly mba hitsabo ahy aty an-trano.
- Satria tsy te ho voarohirohy sy hanaovana fanadihadiana momba anao aho.
- Fanadihadiana ? Hoy izy niketrona kely.
- Meghani Nagar, Meghani Nagar. Hoy izy nisafo ny lohany sady nivoaka ilay efitrano kely misy ahy. Asa hoe mampahatsiahy zavatra azy ve ilay anaran-tanàna ? Ahoana marina moa raha miverina ny ariny ? Handao ahy izy ? Ity izaho efa raiki-po aminy.
Lasa nahatsapa fahabangana be aho rehefa tsy eo i Kirana. Tsy mahita zavatra andaniana ny tontolo androko aho mandra-piandry azy avy any am-piasana. Ity izaho dia tsy mieritreritra afa-tsy izy ? Eny e, manana an'iza hoeritreretina moa aho ? Izy no namonjy ahy, izy izany no havako. Ato aminy no aminay, sa manana ny any amiko aho ? Raha manana izany aho, tsy ho tavela tato mihitsy.
Indray mandeha izay, anjaran'i Kirana ny miasa alina. Tena tsy nahita tory aho dia nalaim-panahy hifoha hitady fialamboly hatao. Nisavasava aho dia nahita raki-tsary anankiray. Nojereko, navadibadiko. Kirana, dia misy olona mivady, dia misy zazalahy iray. Ireo izany no ray aman-dreniny sy zandriny ? Mbola zazazaza kely i Kirana teto. Izany hoe, mety ho sariny efa ela be ? Hay ve mba manana fianakaviana ihany izy iny e ? Namadika indray aho, nahita sariny niaraka tamin'ny mpiara-mianatra aminy, falifaly sy miramirana ery izy miaraka amin'ireto ankizy mibaby kitapo. Izany hoe olona sariaka be izy, nefa ohatra ny olona mitokantokana izany ny fijeriko azy. Namadika indray aho, hitako ho nisy sary roa nifanosona teo amin'ny fitoeran-tsary iray. Izany hoe misy sary afenina ao ambadika ? Nosokiriko tao, loza ! Nihendratra ny foko. Tovolahy mitovy fiaviana aminy, mamihina azy eo amin'ny andilany. Olon-tiany ? Nakomboko haingana ilay raki-tsary ary tsy voaveriko teo amin'ny toerany intsony ilay sary nesoriko teo. Niverina namonjy fandriana aho, niezaka mafy nitady torimaso fa mainka koa tsy nety. Kirana, manana ny havany, manana ny olon-tiany fa izaho ihany no tsy manana na iza na iza. Sao mila mitady ny havako aza aho ? Rehefa tonga ireo havany ireo dia ho aiza aho ? Indrindra fa ilay lehilahy teo.
Heriarilala Andriamamonjy
(Mbola hitohy)
Heriarilala Andriamamonjy

Hametraka hevitra
Midira aloha