Nanarin'ny fiainana (Heriarilala Andriamamonjy)

Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 458
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Angano maromaro no ato amin'ny takelak'i Heriarilala Andriamamonjy. Angano noforonina izy ireo. Ny isan'ny pejy no isan'ny angano ato. Izany hoe angano iray isaky ny pejy iray. Manasa antsika rehetra hamaky. Rehefa hampiasa ny angano ato kosa ianao dia iangaviako mba hanonona ny loharano sy ny anaran'ny mpanoratra.
Pejy 1
Nanarin'ny fiainana

Mpianadahy tsy nifankafoy, hono, i Mikendry sy i Manoa. Fiadina  tena fiadina  koa anefa izy ireo fa zavatra kely monja dia tsy mampifanara-tsaina azy rehefa milalao. Sasatra mihitsy ny ray aman-dreniny mananatra azy isan'andro.
- Mifankatiava ho'aho ianareo fa tsy zavatra tsy misy dikany foana dia ifampimonjomonjoana. Hoy ny reniny.
- Ka izy ange ry Neny mamono ahy foana e ! Hoy i Manoa, ilay zandry vavy.
- Ialahy kosa ry Mikendry efa impiry teneniko mba tsy hikasi-tanana an'io anabavin'ialahy io. Hoy indray ny rainy.
- Ka hitan'i Dada a. Izaho manosika an'ilay fiara keliko dia izy manao fanahiniana mibahana fotsiny.
- Mandefera leitsy fa zoky a !
Izy ireo angaha moa tsy mifankatia ? Vetivety monja dia miombona indray, miaraka mamorona kilalao, mifampisangisangy sns. Fa raha ela indrindra, afaka antsakadiny indray dia efa injao, raikitra !
- Fa naninona indray i Manoa e ? Nataon'i Mikendry inona ianao ? Hoy ilay renim-piankaviana.
Tsy namaly ikalakely fa novaliany kapoka indray mandeha ny zokiny.
- Manoa a ! Aza ...
- Ka alainy ry Neny ny kilalaoko a!
- Ontso, izy kambony... Hoy i Mikendry nikasa hanadio tena.
- Izao no teniko aminareo mianadahy a ! Rehefa tsy mety anarin'ny olon-dehibe ianareo dia hanarin'ny fiainana.
- Hanarin'ny fiainana ! Hoy i Mikendry nikimokimo namerina ny tenin-dreniny.
- Ihomehezo tsara e ! Ianao io mihitsy izany lazaiko izany. Hoy ny reniny.
Nihomehy izy satria tsy takany ny hevi-teny, noheveriny fa miteniteny foana ity reniny.

Ny ampitson'iny, niaraka nanamboatra biriky kely teo an-tokotany izy mianadahy. Niantso tampoka ny reniny fa efa masaka ny sakafo.
- Sasao amin'izay ny tanana dia andao rankizy a !
Nihazakazaka i Manoa fa efa te hihinana. Kanjo voahitsany ireo biriky kelin'i Mikendry. Nosintonin'i Mikendry avy ato amin'ny akanjo aoriana avy hatrany izy.
- He ! Indry manimba zavatra !
Nidaraboka tamin'ny tany ikalakely. Naratra be ny tarehiny ary torana tsy nahatsiaro tena izy.
- Fa inona izao ? Mikendry a ! Manoa a ! Loza ! Hoy ny reniny nikoropaka.
Tsy ampy, hono, ny vola tao an-trano hitondrana azy tany amin'ny tobim-pahasalamana. Tsy maintsy nindram-bola tany amin'ny fianakaviana ny Dadan'i Mikendry.
Tezitra mafy ny rainy ary nitaintaina fatratra i Mikendry.
- Dia ahoana io zandrin'ialahy io raha ...?
- Raha maty ve ? Sa...
- Aza hitako ka misy tapaka ny taolan'io dia ho kilemaina. Ialahy efa tenenina foana.
- Mifona aho ry Dada a !
- Izay biriky simba ve anaka dia amonoanao ny zandrinao. Hoy indray ny reniny.
- Ka...  
Afaka ora iray dia nifoha i Manoa. Efa nampidiran'ny Dokotera fanafody izy. Nentina nody androtr'io ihany.
Nony tao an-trano dia nanatona moramora teo am-pandriana i Mikendry.
- Zandry ô ! Ao fa tsy hanao masiaka amin'indry intsony aho.
- Eny leitsy a ! Ao fa tsy hanimba ny  kilalaon'ialahy intsony aho.
- Indry ange tsy nanao fanahiniana e. Izaho nitaintaina be. Izao aho ho hendry amin'izay.
- Raha tsy nisy marina izany iny loza iny tsy niova ialahy ? Hoy ny rainy.
- Ary sao dia izao àry ilay notenenin'i Neny hoe "hanarin'ny fiainana rehefa tsy..."
Nanomboka teo, hono, izy mianadahy dia tsy niadiady intsony fa natahotra mafy hoe sao hahafaty ny anankiray izay fihetsika mahery ho vita amin-katezerana.

Dia izay, hono, rankizy no nahatonga ny fitenenana hoe : "aleo anarin'ny olona toy izay anarin'ny fiainana."

Heriarilala Andriamamonjy, 04 Aogositra 2026
458

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0091