Nanarin'ny fiainana (Heriarilala Andriamamonjy)

Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 460
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Angano maromaro no ato amin'ny takelak'i Heriarilala Andriamamonjy. Angano noforonina izy ireo. Ny isan'ny pejy no isan'ny angano ato. Izany hoe angano iray isaky ny pejy iray. Manasa antsika rehetra hamaky. Rehefa hampiasa ny angano ato kosa ianao dia iangaviako mba hanonona ny loharano sy ny anaran'ny mpanoratra.
Pejy 2
Saika very

Indray andro, hono, tao Antananarivo tao. Nisy ankizy mianadahy antsoina hoe Itokiana sy i Mino. Itokiana no lahy ary izy no zoky. Nipetraka tao amin'ny ray aman-dreniny izy ireo. Niteny azy mianadahy foana, hono, ireo nahitany masoandro mba tsy handehandeha hivoaboaka fa mandalo vanim-potoana sarotra ny tanànan'izy ireo tamin'izany satria maro ny mpangala-jaza.
- Ianareo mianadahy aza mivoaboaka any ivelan'io fefintsika io fa efa betsaka izao ny zaza very. Hoy ny reniny.
- Fa very ahoana ry Neny ? Tsy mahatadidy lalana miverina ve ? Hoy ilay zazavavikely.
- Tsy hoe tsy mahatadidy lalana miverina fa misy misambotra dia tsy afaka mandositra. Hoy ny reniny.
Zazavavy sahabo ho fito taona i Mino. I Itokiana kosa, sivy taona.
Indray andro, nandeha niantsena, hono, ny renin'izy mianadahy. Naniry mafy ny hiaraka hilalao amin'ireo mpiray tanàna aminy i Mino. Itokiana kosa mbola variana nanamboatra trano kely teo an-tokotany no nitodika tampoka ka nahita an'i Mino nijokojoko handeha hivoaka ny vavahady.
- Fa ho aiza indry ?
- Hiaraka hilalao amin'ny namako aho.
- I Neny ange efa niteny e, sa indry tsy matahotra mpangala-jaza ?
- Eyyy, izaho matanjaka be. Efa nianatra nihazakazaka aho dia hitsoaka be vao tamy ny mpangala-jaza.
- Mijanòna aloha fa...
Tsy tapitra akory, hono, ny tenin'i Itokiana dia nivoaka i Mino. Vao tonga tao ambadiky ny tamboho anefa izy dia tsy hitany fa efa nisy olona niandry  tao. Notampenan'io olona io tamin'ny mosoara ny orony dia tsy nahatsiaro tena intsony izy. Natsofok'ilay olon-dratsy tao anaty gony ity zazavavy kely avy eo.
Soa ihany, efa niverina avy any an-tsena ny maman'izy mianadahy ka nahatazana tsara ny zava-niseho ary niantso vonjeo mafy. Nalaky nitangorona ny olona.
- Apetraho iny zaza iny !
- Avoahy iny zaza iny !
Nandà mafy anefa ilay mpangalatra olona.
- Tsy misy zaza izany aty fa avy naka vilona aho. Vilona ho an'ny omby no ato anaty goniko ato.
- Araraho àry hoe. Hoy i Itokiana fa efa tafavoaka ny vavahady koa izy mba hijery.
- Sady...aiza izay antsim-bilona eny aminao raha mpaka vilona ianao? Hoy ny olona sasany.
Tratran'ny be noho ny vitsy anefa ity mpangalatra  ka tsy maintsy namoaka an'ilay zazavavy. Nodarohan'ny olona maro be teo, hono, io ka saika afaka ny ainy vao navelan'ny olona handeha. I Mino kosa, tany an-trano vao nahatsiaro tena. Nifona tamin'ny reniny sy tamin'ny zokiny izy.
- Tsy hanao intsony aho ry Neny fa hanaraka tsara izay teninareo sy i Zoky amin'izay.
- Sady indry ange ho'aho tsy tokony hitady namana hafa izany fa efa isika no miara-milalao e.
Nony niditra avy any ny rain'izy mianadahy. Nandre ny savorovoro tamin'ny mpiara-monina dia niara-nanao korana kely izy efa-mianaka fa saika tafasaraka noho ny hetraketraky ny hafa.
Nanomboka teo, hono, izy mianadahy dia tsy nisaratsaraka intsony ary tsy nanao be famaliana intsony.

Heriarilala Andriamamonjy 02-08-26 16:23
460

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0471