Ireo kitapom-pako (Heriarilala Andriamamonjy)
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 244
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 244
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Angano maromaro no ato amin'ny takelak'i Heriarilala Andriamamonjy.
Angano vahiny nadika amin'ny teny malagasy avokoa izy ireo. Ny isan'ny pejy no isan'ny angano ato. Izany hoe angano iray isaky ny pejy iray. Manasa antsika rehetra hamaky. Rehefa hampiasa ny angano voasoratra ato kosa ianao dia iangaviako mba hanonona ny loharano sy ny anaran'ny mpanoratra izay nandika azy ho amin'ny teny malagasy.
Pejy 3
Mampamorona ny tahotra Mampamorona ny tahotra
Indray andro, hono, nisy vehivavy antsoina hoe Helena. Nanan-janaka vavy kely antsoina hoe Maria izy. Miompy akoho lahy iray sy totozy iray izy mianaka ao an-tranony.
Indray andro, naka siny iray i Helena fa handeha ho any an-drenirano.
- Neny ! Izaho te hiaraka aminao. Hoy i Maria
- Eny àry, alaivo ny sininao.
- Izaho koa handeha. Hoy ny akoho lahy
- Dia izaho koa ! Hoy ilay totozy.
- Eny àry, samia maka ny sininy daholo dia andao handeha !
Lasa, hono, izy rehetra nandeha nankany an-drenirano. Nofenoiny rano madio be daholo ny sininy.
- Tokony hody amin'izay. Hoy ilay renim-piankaviana.
Teo amoron-drano anefa, nisy bitro dia anankiray. Natory io. I Helena sy i Maria ary ireo biby fiompiny kosa namoha azy. Nitsambikina nankeo amin'ny tongotr'i Helena ilay bitro dia. Nihiaka sy nandositra daholo izy rehetra.
Nony farany, tonga soa aman-tsara tany an-trano ihany izy mianakavy kely.
- Hitanareo ve ilay bera* be nitsambikina nankety amiko ? Hoy ny fanontanian'i Helena.
- Ary ianareo angaha nahita ilay amboadia romotra be nihazakazaka nankety amiko ? Hoy i Maria.
- Tsia, fa nisy amboahaolo noana be nikasa hihinana ahy koa tany. Hoy ilay akoho lahy.
- Tsia, nisy saka saika hisambotra ahy tany. Hoy ilay totozy kely.
Nilefa nody any amin'ny fianakaviany koa ilay bitro dia.
- Tsy hino ahy ianareo. Nisy mpihaza efatra nitondra basy sy alika be marobe. Saika hamono ahy ry zareo.
Rehefa matahotra isika dia matetika mahita zavatra tsy misy akory.
Mampamorona ny tsy misy ny tahotra.
nalaina tamin'ny "Once upon a time", EC TV,29-06-26
Nadikan'i Heriarilala Andriamamonjy,05-07-26
-Bera : biby mampinono, voloina izay mandeha amin'ny faladiany manontolo rehefa mivezivezy ( teny frantsay : ours)

Hametraka hevitra
Midira aloha