Ireo kitapom-pako (Heriarilala Andriamamonjy)

Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 244
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Angano maromaro no ato amin'ny takelak'i Heriarilala Andriamamonjy. Angano vahiny nadika amin'ny teny malagasy avokoa izy ireo. Ny isan'ny pejy no isan'ny angano ato. Izany hoe angano iray isaky ny pejy iray. Manasa antsika rehetra hamaky. Rehefa hampiasa ny angano voasoratra ato kosa ianao dia iangaviako mba hanonona ny loharano sy ny anaran'ny mpanoratra izay nandika azy ho amin'ny teny malagasy.
Pejy 4
Ilay fandrika

Indray andro, hono, nisy amboadia. I Greg no anarany. Indray andro, nandeha nianala, hono , i Greg. Tena nahery ny rivotra. Tapaka ny hazo iray dia nianjera teo ambonin'ilay amboadia. Tsy afa-nihetsika teo i Greg.
- Aoooo ! Vonjeo ! Iza no aty ? Ampio aho !

Soa ihany ho an'i Greg, nisy serfa* antsoina hoe Jake nandalo.
- Afaka manala an'io hazo io ve ianao ?
- Tsy olana ry amboadia, hoesoriko io hazo io dia havelako ianao.
Nankao ambanin'ilay hazo i Jake dia nongahany tamin'ny tandrony ilay izy.
- Izay ry amboadia ! Afaka ianao !
- Ha ha ! Izao, hohaniko ianao ry Serfa !
- Fa izaho ange  nanavotra anao e ! Tsy mahazo mihinana ahy ianao !
- Mahazo aho ka !  Ary hataoko !

Tampotampoka teo, nisy bera* antsoina hoe Ben nandalo.
- Misy inona eto ?
- Nisy hazo nianjera teo ambonin'ity amboadia ity. Nampiako izy, nefa izaho indray no tadiaviny hohanina.
- Tsy mino anao aho. Ahoana koa no nahaizan'ny serfa  nanala hazo be samirery izany ?
- Inona a ? Ao fa hasehoko anao ! Jereo !
Naverin'i Jake ho toy ny nianjera ilay hazo dia avy eo nesoriny indray.
- Tsy mino koa aho hoe amboadia tahaka anao izao dia mety ho voatsindrin'ny hazo izany. Hoy indray ilay bera
- An ? Marina hoe ? Serfa a, apetraho eo amboniko indray ange ilay hazo e !
- Hay ! ie. Ankehitriny, mino anao aho. Hoy i Ben. Mirary tontolo andro mahafinaritra !

Nitsoaka i Ben avy eo, dia tsy afaka tao ambany hazo i Greg amboadia.
- Serfa, afaka manampy ahy ve ianao ?
- Tsia, ry amboadia. Amin'ity indray mitoraka ity kosa, ataovy irery eo.

Raha fomba ratsy no itondranao ny hafa, dia ratsy toy izay koa no itondran'ny hafa anao.

Manaiky izany ve ianareo, rankizy ?
nalaina tamin'ny "Once upon a time", E.C. TV, 28-06-26

Nadikan'i Heriarilala Andriamamonjy, 04-07-26

Bera : biby mampinono, voloina izay mandeha amin'ny faladiany manontolo rehefa mivezivezy ( teny frantsay : ours)
Serfa : biby mampinono, mpihinana zava-maniry, manana tongotra lava sy vatana mailaka, miaina any anaty ala sy eny amin'ny ahitra izy ( teny frantsay : cerf)
244

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0075