Alakamisy Ambohimaha (Imbitika Rambala )
Tantaran'Alakamisy Ambohimaha araka tsiaron'i Imbitika Rambala sy Rabenatoandro Dominique.
Navoakan'Imbitika Rambala tao amin'ny rindrin'ny kaonty Facebook-ny nanomboka ny 29 avrily 2023 hatramin'ny 12 jolay 2023.
Pejy 1
ALAKAMISY-AMBOHIMAHA FAHIZANY( voka-pahatsiarovana ihany ity koa ampirisihina ny hamenoan'ireo izay mahalala bebe kokoa )
I - AIZA HO AIZA ?
Alakamisy-Ambohimaha - fony mbola zaza izahay (1945) dia efa "canton" Alakamisy-Ambohimaha ankehitriny
Eo amin'ny lalam-pirenena faha7 no misy an' Alakamisy-Ambohimaha ka 25 km tsy hahatongavana ao Fianarantsoa raha avy any Antananarivo. Havoana kely marintampona anankitelo mitandahatra mianatsimo mandritra ny 5 na 6km no itsorany, izany hoe hatreo amin'ny tetezan'Andranomiherina raha avy aty avaratra ary mifarana hatreo amin'ny tetezan' Ambalaseva aty atsimo
Dia lemaka tanimbary no manodidina ireo havoana ireo ka ao atsinanana : ny tanimbary temerin'ilay tendrombohitra malaza atao hoe Ivolamena noho ireo soratra mbola tsy nisy nahavaky mandraka ankehitriny sy ny tanàna toa an'i Marovoalavo - ao atsimo dia ny lemak'Ambalaseva sy Iboaka miainga eo amin'ny tetezan'Ambatondraonenana ary ao andrefana indray ny tanimbary midadasika atao hoe Vorompotsy izay miloloha ny tendrombohitra Vohibasina miaraka amin'ny tanàna vitsivitsy toa an'Ambalamarina sy Maroakoho sy Ambatondraonenana
Raha avy aty avaratra dia ny tendrombohitra Mandalahy, ilay misy ny tobim-piofanan'ny miaramila no mandondona an' Alakamisy-Ambohimaha ka ilay tanàna antsoina hoe Ambohimaha no holalovana aloha. Raha manohy midina mianatsimo ihany manaraka ny lalam-pirenena faha 7 ankehitriny dia ho tonga ao Ambalakafotra izay ialohavan'ny tetezan'Andranomiherina, eo no misy ilay sampanan-dalana mihazo an'i Mananjary sy Manakara - fa raha ny lalana fahiny kosa dia miala eo Ambohimaha dia midina eo Ananamasaka mankeo amin'ilay tetezan-kazo (fahiny) dia miazo iny lalana any ambaniandrefana iny mandalo eo anelanelan'ny tsena ankehitriny sy tanim-boalobok'i Rabedasy ary mivoaka eny Ambatolahy
ALAKAMISY-AMBOHIMAHA FAHIZANY 2
(Voka-pahatsiarovana ihany ity koa raisina an-tanan-droa ary ampirisihina ny mba hamenoan'ireo izay mahalala sy manana bebe kokoa)
II - NY NAHATONGA NY ANARANA HOE ALAKAMISY-AMBOHIMAHA
Maro no azo eritreretina ho nahatonga ny anarana hoe Alakamisy-Ambohimaha fa ireto mba hitanay
1- Rehefa dinihina dia io Ambohimaha io tany amboalohany no tanàna nanana ny maha izy azy sy be mpinona indrindra teo amin'ny manodidina ary manamarina izany ny fiteronterony amin'ny toerana avo izay fenitra narahin'ny tanàna fahagola noho ny tahotra ny jirika sy ny fahavalo, saingy
2 - Mbola tsy nisy vola moa tamin'izany ary rehefa mifanena ny olona dia mifanontany na mifampilaza izay ananany na izay filany - dia mifanome fotoana ary mifanatona ka samy mitondra izay misy any aminy na ananany avy dia ireny no atakalo izay ilaina toy ny firavaka, akanjo, fitaovana samihafa, biby fiompy, sakafo, vokatra sy ny sisa - izany no endriky ny tsena fahiny.
Nananosarotra ny mponina teny ambany toerana toa an'Ambalakafotra sy Ananamasaka angamba anefa ny hiakatra eny Ambohimaha lava izao. Toa izany koa ireo mponina teny ambanin'ny Vatomisoratra sy ireo teny ambanin'Ivohibasina koa rehefa sendra toerana iray sady ankamarenana no ivo ny olona dia tamana teo. Dia teo no raikitra ny tsenan'Ambohimaha
3 - Teo amin'io toerana misy ny biraon'ny Firaisana ankehitriny io izay toerana izay. Manamarina izany ny fanontaniana napetrakay tamin'ny renibenay tany amin'ny taona 1950 tany ho any hoe : "fa maninona, ry bebe, no atao hoe atsimontsena eto amintsika (eo amin'ny vavahadin-dry mompera mantsy ny tranonay) nefa ny tsena ange ka ery ambany ery?". Efa teny ambany eo amin'ilay ankandemponana mifanandrify amin'ny tranon-dRazery sy Radoara ny tsena tamin'izany.
III - IO TOERANA IO SY NY MANODIDINA AZY
Saika sekoly katolika avokoa tamin'izany no mampiseho ny kilalao satria tao Antanimadilana ihany no hany nisy ny sekolim-pinoana hafa dia an'i loterana sy sekolim-panjakana : Asa am-pinga, dihy mirindra, mihanika hazo malama sy ny sisa no fampisehoana nataonay tamin'izany : "Arahaba ry saina, mikopakopaha ianao, mivelara hialofanay" izany no hira fanoavana ny saina manga fotsy mena sady atsotra manondro ilay saina ny sandry no mijaridina tsara. Hafa noho "Allons, enfants de la Patrie" io. Dia mikabary ny manampahefana vazaha amin'ny teny frantsay dia misy mpandika teny - mandiso anefa indraindray ny mpandika teny dia horakorahin'ny olona
Teo amin'io toerana io koa no fanaovana ny tsenabe. Feno trano heva ny ila atsinanan'ny arabe tamin'izany saingy tsy mba toy trano heva fahita ankehitriny izay vy misabaka sy mifampihazona dia saronana lamba fa dia tsatoka sy tsivalan-kazo ary nofenoina ravina. Efa nampiasa fantsika ny olona tamin'izany. Na izany aza dia voaravaka voninkazo, vatan'akondro sy soratra milaza ny toerana nihaviany ireo trano heva ireo ary misy dia tena tsara tarehy sy kanto tokoa. Nahitana hotely sy fifaninanana mahandro sakafo koa tamin'izany. Mbola tsy dia nisy firy koa ny mena-boanjo. Tadidiko fa mba manao ny "sitrany ahay" i nenitoanay Ralisy na Toa Lisy moa no fiantsoanay azy dia mba nanao menakely mba hamidy kinanjo tsy maintsy hafanaina matetika satria mandry ilay mena-kisoa nanendasana azy.
1- IREO TRANO MANODIDINA IO TOERANA IO
A- ny biraon'ny chef de canton
a)- ny fipetrany
Eo atsinanana ny tranon-dRagermaine mirihana iray saingy avobe saady misintaka 4 na 5 metatra ny arabe ary efa narodana ka nosoloana trano ivaiva - ny tranon-dRabodoarivo Henriette eo ankavanany ary tena akaiky ny arabe - voahaja tsara ilay hoe tsy asiana trano manamorona ny arabe koa misintaka an'ilay biraon'ny chef de canton eo avaratra ny fiangonana loterana sy ilay trano misy lavarangana mitodika mianatsimo - eo andrefana indray ilay trano avobe an-dRazafindrasoa Marie ary lasan'ny zanak'Andriamahazo Pierre Clovis izay mpampianatra tao amin'ny sekoly katolika - manaraka azy ny tranon'i Guy Du Pavillon izay nivarotan-dRatefiarimalala Henri rain-dry Jacques, Lucien ary Gege - ilay trano ivaiva misy lavarangana io no tena ao an-damosiny
- izy io irery no nanivaka tamin'ny biraom-panjakana rehetra tamin'izany fotoana izany satria tany Antanimadilana avokoa ny biraom-panjaka rehetra taloha
b) - Tamin'ny nampiasana azy
- tao no nanaovana ny taratasim-panjakana sasatsasany tamin'izany
- tao no fizarana ny taratasy : niasa mafy ny Paositra tamin'izany teo amin'ny fifandraisana : isa-maraina ny olona (izahay avy mamonjy lamesa) dia mankeo amin'io birao io, mivoaka eo ambaravarana ny mpiasa ao dia mizara taratasy avy amin'ny lafy valon'ny Nosy : misy taratasy tsotra amin'izany, misy telegrama, na taratasy ara- panjakana
Roa andro ihany dia tonga any amin'izay tiana handefasana azy ny taratasy fahiny raha mbola avy eto antoerana ihany ary fito andro kosa raha avy any ivelany - ary tsy mivaona izany
Ny firabe mpitatitra olona BETSILEO BUS - LOMBARDO Fianarantsoa - Antananarivo no mpitondra ny taratasy -misy koa anefa fiara hafa manampy azy -
ALAKAMISY-AMBOHIMAHA FAHIZANY
B - NY MPONINA MANODIDINA IO TOERANA IO tohiny
Noho ny hamaroan'ny olona teo amin'io toerana io dia teo amin'ny manodidina teo no nananganan'ireo misionera ny trano fiangonany avy ka ny misiona loterana dia teny avaratra, ny misiona katolika dia teo atsimo atsinanana ary ny fjkm dia somary anaty tanàna, ao andrefana
Mbola azo heverina ihany koa fa ireo izay nanaraka an'ireny misionera ireny no nitoby manodidina io toerana io ka dia nanorina trano teo satria ny zanatany moa dia efa nanana ny azy ireo avy teny amin'ny manodidina
Havoana telo mitsotra mianantsimo mbola tsy nisy tompony moa tamin'izany Alakamisy-Ambohimaha koa dia samy namariparitra izay azony nifaritany avy na ireo misionera na ireo mpiavy mpivarotra
Ny misiona katolika dia namaritra an'iny ambany atsinanan'ny trano fiangonana naoriny iny ary saham-boaloboka midasasika no tao sy trano namadihana ireo voaloboka vokatra ho divay - ingahy RAPHAEL, rain'i Ramanandraibe Augustin izay anisan'ny mpitantana ny fiangonana katolika amin'izao fotoana izao sady zaodahiko no mpitantana io tanim-boaloboky ry mompera io tamin'izany - ankehitriny moa dia lasa n-dry masera io toerana io ary trano fianarana no nasolon-dry masera ny tanim-boaloboka
Ny misiona norveziana dia tany Antanimadilana no nitoby
Ny Fjkm kosa dia ny toerana manodidina ny trano fiangonana naoriny ihany no nalainy
Ireo olontsotra kosa dia samy namariparitra izay azony nofaritana ka ireto no mba tadidiko:

Hevitra mandeha