Alakamisy Ambohimaha (Imbitika Rambala )
Tantaran'Alakamisy Ambohimaha araka tsiaron'i Imbitika Rambala sy Rabenatoandro Dominique.
Navoakan'Imbitika Rambala tao amin'ny rindrin'ny kaonty Facebook-ny nanomboka ny 29 avrily 2023 hatramin'ny 12 jolay 2023.
Pejy 2
IV - NY LALANAAlohan'ny hidirantsika amin'ny firafitry ny tanàna dia mety raha ny lalana na ny arabe no horesahina satria sady tsy dia lava loatra no hampazava kokoa ny tian-kolazaina any aoriana
Niova intelo ny lalana teo Alakamisy-Ambohimaha :
Ny voalohany dia ilay efa nolazaintsika tany amboalohany izany hoe raha miainga avy eny Ambohimaha dia miazo an'Ananamasaka, midina eo amin' ilay tetezan-kazo il mandika ny ranon'Andranomiherina izay mbola nahazaka fiara tsara fahiny, mandalo iny ambiandrefana iny, mitohy eo anelanelan'ny tsena sy ny sahan-dRabedasy ary mivoaka eo anoloan'ny tranon-dRazafindratsiory eo Ambatolahy
Ny lalana faharoa dia efa voalazantsika koa fa miala eny Ambohimaha, midina eo amin'ny tetezan'Andranomierina, mahazo an'Ambakafotra na ilay sampanana mankany Mananjary, mandray ilay vozontany kely ary miakatra avy hatrany eo Antanomadilana
Ary ny lalana fahatelo dia ilay efa vita tara ankehitriny, izany hoe tsy ilay miakatra eo Antanimadilana intsony fa mihodina aty andrefany
Mbola mba tratrako ny namadihana ho tara na goudron ny arabe karaobato fahiny. Avy nirava nianatra aho tamin'izay, taitra nahita fiara hafahafa mandraraka ny tara, gaga mijery ny arabe voatrongy ary variana amin'ity vazaha mandry mihohoka mijery ny hatevin'ny tara sy manamarina fandry sy fironan'ny tara araraka eo amin'ny arabe.
Ny zavatra mahagaga ahy mandraka ankehitriny dia toa mbola tsy nisy fanamboarana io arabe vita tara io hatramin'ny taona 1975 nialako tany Fianarantsoa. TOA hoy aho satria tsy nonina loatra teo Alakamisy-Ambohimaha intsony aho rehefa nianatra teny Fianarantsoa ka sao diso aho
V - NY FIRAFITRY NY TANANAN'ALAKAMISY-AMBOHIMAHA
Hatreto dia ilay toera-malalaka fahiny ary misy ny biraon'ny Firaisana ankehitriny no niompanan'ny resatsika. Teo tokoa mantsy no nisy havoriana fahiny
2- IREO TOERANA HAFA SISA
ALAKAMISY-AMBOHIMAHA FAHIZANY - tohiny
Miaraka amin-dRabenatoandro Dominique
2 - IREO TOERANA HAFA SISA
a) - ilay tranonay
Io eo am-bavahadin-dry mompera io ny tranon-drazanay - mbola misy 1 metatra mahery ao an-damosin'io rindrina atsinana io toa ilay eo atsimo koa izay misy elanelany 2 metatra mahery alohan'ny sekolin-dry mompera saingy tonga dia nalain-dry mompera avy hatrany ilay 1metatra tao atsinanana ka dia ny rindrin'ny tranonay no nataony rindrin'ny lakilasiny. Noho ny fitadiavana mahazaka maniraka dia nielim-patrana ny ankabeazanay zafikely sisa taty aoriana ary dia tsy voakarakara izy io nandritra ny taona maro, nahazoanay tsiny matevintevina ihany izany. Koa rehefa nivory ireo zafikely dia niray hina fa hamidy amin-dRamatoa Raveloson Lisette (ialana tsiny raha diso ilay anarana) izay zafikely toa anay ihany dia io izy hitantsika miezinezina sady tsara tarehy io ankehitriny ary feno fankasitrahana azy izahay
b) - ny fiangonana katolika sy ny manodidina azy :
Mbola ilay toerana aloha no hojerentsika fa amin'ny manaraka vao miresaka momba ireo mompera sy ireo nitantana ny fiangonana katolika teo Alakamisy-Ambohimaha
Ity fiangonana katolika ity sy ny manodidina azy no fatana nitanika ny fahazanay mirahalahy dia izaho sy Rabenatoandro Dominique zandriko izay hiara-kahatsiahy amiko izay mba fiainanay teo Alakamisy-Ambohimaha fahiny
- Ny fiangonana katolika
Trano lehibe, malalaka ary miezinezina io fiangonana katolika eo Alakamisy-Ambohimaha io, indrindra amin'ilay tilikambony miraikitra sy mipetaka avy hatrany amin'ny vatan-tranon'ny fiangonana. Mahatratra hatrany amin'ny valo metatra any ho any ny hahavony ary kitsoloha izy sady nofaranan'ny fandribaratra. Na izany aza dia tsy nisy sary vongana toy ny tilikambom-piangonana sasany. Ireo tovolahy sasisahy no mananika an'izy io avy ao anatiny mihaza ireo vorondolo nonina tao. Taty aoriana moa dia noravana io tilikambo io fa nosoloana hafa izay tsy miraikitra amin'ny vatam-piangonana.
Varavaravana efatra lehibe no ahafahana miditra ao ka ny roa avy aty atsimo no fidirana mahazatra isan'andro, fa ilay fahatelo any avaratra sy ilay fahaefatra eo ambanin'ny tilikambo dia tsy vohaina raha tsy efa fety lehibe satria mifanesika hivoako loatra ny olona rehefa fety lehibe ka mirava ny fotoam-pivavahana
Fitaratra maro loko ny varavaran-kely izay tsy afaka mivoha ary ny fanambaniny dia vita amin'ny akoravato vaventy na malao vaventy tsara rafitra.
Miantsinanan-doha io fiangonana io ka ery amin'ny farany atsinanana ny ôtely fanaovana ny lamesa ary varavarana iray eo ankavanana no mitondra mankao amin'ny sacristie, ilay efitra kely fiomanan-dry mompera sy izahay mpiserivy alohan'ny lamesa
Avo toerana io ôtely io ary kitohatohatra miambaratonga telo na efatra (tsy tadidy intsony) manodidina azy sy vita simenitra no mialoha azy. Misy jiro mandeha amin'ny solika mirehitra lalandava eo ankavian'ny tabernacle izay eo anivo indrindra, manemitra azy kosa ny sary vongana ngezabe otronin'ireo fanaovan-jiro enina avobe. Mila fahazarana ny mampirehitra sy mamono ireo fanaovan-jiro izay sady avo fipetraka nefa mbola lavabe ihany koa
d) - Ny sekoly katolika - tohiny
Tantara kelinay mirahalahy:
Efa voalaza teo aloha moa fa ny rindrin'ny tranonay no nataon-dry mompera rindrin'ny sekoliny araka izany dia indray mandingana izahay mirahalahy dia tonga na ho ao an-trano na ho any an-tsekoly
Indray andro ary raha vao nirava ny sekoly, tsy nilahatra toa ny mpianatra rehetra izahay mirahalahy fa tonga dia nitsoriaka nody. Kinanjo tsikaritr'ingahy tale io. Vao handeha hilahatra hianatra toy ankizy rehetra izahay mirahalahy ka hiditra ao an-dakilasy ny ampitso marainan'iny dia avy hatrany dia noroahin'ingahy tale ary tsy mahazo mianatra ao intsony. Tonga i bebe, niangavy ny mba handraisana anay, tena nandohalika sy nandadilady mihitsy (sady manatrika eo izahay mirahalahy amin'io) fa tsy laitra nakisoka ingahy tale : maditra ny zafikelinao, nandika lalàna, tsy manaraka discipline..
Niverina nitalaho fanintelony i bebe vao nanaiky ny tale ny handray anay indray saingy tsy maintsy mandoa vola 240 ar sy vary akotry 2 vata ( 120 ar sy vary 1 vata avy izany nosazinay mirahalahy - io moa no saram-pianarana na ekolazy tamin'izany).
I bebe sy i Toa Lisy na Ralisy hoy ny olona izay nitaiza anay moa tsy misy antom-pivelomana fa dia anana sy vomanga entin'ny olona hamidy no avadika hahazoana tombony kely, koa dia voatery naka ny akanjon'izy mianaka vitsivitsy tao ry zareo, nentina teny amin'ny manodidina mba hatakalo vary akotry. Hahavita inona anefa moa izany koa dia vaotery nampitombo ny fanampiana anay ireo anadahin-dreninay efa niasa sy izay kely mba vitan'i dada.
Bambaray ny tao anatin'io sekoly io fa tsy mba nisy efitra. Samy mitsitokotoko isaky ny kilasy avy ny mpianatra eo anatrehan'ny mpampianany avy kanefa dia tsy nisy nifanitsaka na nifanembantsembana izany. Tamin'ny andronay no nanafoana kapila io sekoly goavam-be io, tsy taomina ny kapika fa mitandahatra izahay dia atolotra ny eo akaiky ny kapila mandrapahatonga azy eny amin'ny mpanafo eny ambony dia rehefa mandalo eo aminay ny kapila dia asianay ny anaranay na izay mba sonia kiadaladalanay tamin'izany. Indraindray dia ajanonay eo aminay ny kapila ka rehefa betsaka sy mavesatra vao alefanay - tezitra ny olon-dehibe dia mifanilaka eo izahay ankizy - aza mba ankizy tokoa !
e) - Ny lakolosin-dry mompera
Manana lakolosy goavana ( efa aman-taonina ny iray) anakitelo ny fiangonana katolika eo Alakamisy-Ambohimaha. Saingy tsy mitovy ny habeny. Eo akaiky ny varavaram-piangonana atsimo andrefana no misy azy ireo ary voatafo fanitso. Sintonina amin'ny tady rehefa ampanenoina. Akory moa ny hafaliana kilongalahy kely milanja tsy ampy 20 kilao akory rehefa mampaneno an'ireo. Ilay kely sy ilay antonontonony mba voasintonay ihany fa raha ilay goavana no asaina ampanenoina ka sintonina dia izahay indray no entiny miakatra. Indraindray tsy maneno akory ilay lakolosy fa izahay indray no sintoniny miakatra. Indraindray dia tsy tanteraka koa ilay feo fa na malemy na tsy mitohy, tezitra ny olon-dehibe, izahay kosa sady faly no toran'ny hehy dia voatery roalahy no misintona ilay lakolosy goavana. Hafaliana moa izany ny misintona ireo lakolosy ireo. Manako hatrany Ambatovaky ka hatrany Ambalaseva ny feon'ireo lakolosy ireo. Rehefa ao i mompera dia ampanenoina ilay lakolosy kely isaky ny amin'ny 6 ora hariva ho mariky ny anjelisy. Rehefa alahady dia ampanenoina ilay lehibe ka ampenenoina in-3 izy amin'izany : ny voalohany mba ho fanairana ny mpino, ny faharoa dia ho fiaingana sy fidirana ary ny fahatelo izay faranana amin'ny fisintonana amin'ny tanana ny voan-dakolosy kely ka atao toy mipaipaika izy amin'izany dia izay no famantarana ny fiatombohan'ny fotoam-pivavahana.
Rehefa fety lehibe kosa toa ny noely, paka, pantekôty sy ny sisa dia indray ampanenoina izy telo amin'ny fiantsoana farany alohan'ny fanombohan'ny fotoam-pivavahana. Izany fahafinaretanay iky rehefa mampaneno azy telo. Vanitika sy kakakaka izay tsy izy, dia faly tokoa ange amin'izany e !
Rehefa misy loza na zava-mitranga hafahafa eo antanàna toy ny hain-trano dia ireo lakolosy ireo no ampanenoina hanaitra ny olona mba hifamonjy.
f) - ny tokotanin-dry mompera - tohiny
Eo amin'io tokotany io, eo amin'ilay la grotte-ny Masina Maria no fakana sary rehefa misy na batemy na komonio voalohana na kofirmasio sy ny sisa. Nifandrombahana ilay toerana tamin'izany.
Io tokotanin-dry mompera io no tokotaninay dia ilay tokotany be-tsy-miteny nefa mitahiry mandraka androany satria nahita sy niaina niaraka taminay izany hoe mba ditra, alahelo ary hasambaran'ankizy izany dia ny diamanga, ny fampiderana sary amin'ny tany soritana amin'ny hazo kely izay tonga ao an-tsaina, ny kilalao kanety dia ny ady lavaka na course kanety izay atao faran'izay sarotra, ny filalaovana zoera, ny tsipy mélia na ady vody rindrina sy ny sisa ary indrindra ny kodiarana fiara na pneu. Feno kodiarana ngeza sy mavesatra mantsy tao amin'ny la cours-n-dry mompera izay tsy zanakana ankizy 8 na 9 taona kanefa dia nolalaovinay soa aman-tsara.
Teo amin'io tokotan-dry mompera no nisy izany filalaovana baolina tsy nahalalana noana izany.
Io tokotanin-dry mompera io no nahita ny ady totohondrin-dry zalahy madinika, dia totohondry mifangaro rangotra, dia iny tarehy feno rangotra iny no entina mandray kominio ny ampitso maraina, zara mba tsy nodinganin'i mompera ! Io tokotany io no nisy an'izany miady androany dia miara-milalao ny ampitso. Tao no fanaovana bemarenina rehefa antsoina hirahina na hisakafo. Tao no fierena rehefa miletra ireo voankazo nangalarina tany anaty sahan'olona tany. E !.. " e.. izany fahiny, toa nofiko izany fahiny.." hoy ny hiranay efa tamin'izany.
Na koa hoe tokotanim-piangonana ary mbola azo antsoina koa hoe tokotanin'ny sekoly dia tokotany malalaka tsara voafefin'ny sekoly sy ny ireo momba ny tranon-dry mompera no mamaritra azy avy aty atsimo sy atsinanana - ny trano fiangonana kosa no mamaritra azy ao avaratra ary ny tranonay sy ny ampahan'ny sekoly raha avy aty andrefana.
Mino aho fa mbola mihanjaka eo ilay lavabato na grotte-n'i Masina Maria - mihanjaka hoy aho satria dia nifampitohy tamina fefy tamboho izy io fahiny ka nanafina ny lakozian-dry mompera sy ny garazin'ilay fiara Citroën 3 cv novidian'ny fiangonana hampiasan'ny mompera rehefa manao fitetezana ireo zana-piangonana manodidina izy sady hisolo ny soavaly sy filanjana re na koa ho entiny hamonjy ny fivorian-dry mompera eny Ambozontany Fianarantsoa isam-bolana.
DECA no fiantsoanay ny mpiasan'ny mompera na mpanao lakozia io na irakiraka ( fanafohezana ny hoe aide de camps io anarana io)
Tao an-damosin'ny lakozian-dry mompera dia nisy toerana voafefin'ny grillage na fefy makarakara avo be fasiana ny akohon-dry mompera. Feno akoho amam-borona io toerana tamin'ny andron'ny mompera vazaha indrindra ny frantsay (mompera Aizier) - fa nihena tsikelikely izany rehefa italiana ny mompera ( Mangiapane na Dell' Utri) ary tena foana rehefa gasy (Léonard Marie Ramaroson) -
Rehefa fetin'ny sampakazo dia feno ravinkazo io tokotany io dia izahay mpianatra no manadio azy ny alatsinainy. Ary rehefa fetin'ny Noely na Paka na fety lehibe dia asiana bancs-sekoly eo ary dia raikitra ny ny fifaninana hira zafindraony ataon'ireo zana-piangonana manodidina. Akory ny fankafizan'i dada izany hatreo an-davaranganay fa sady manongilan-tsofina izy no mimonomonina manaraka indraindray.
Io tokotanin-dry mompera io no tokotaninay dia tokotany be-tsy-miteny nefa mitahiry ary niaina niaraka taminay.
g)- Safoana - tohiny
Fa ny ankizy tsy mba midonahanaham-poana izany ary mahita zavatra atao hatrany -
Ny kilalaonay tao Safoana : Mitady dongona kely, misikotra lavaka amin'ny tapa-kazo amin'io dongona io, asiana bozaka maintso ao dia misambotra valala ka esorina ny tongobeny mba tsy hitsambikina- dia roahina toy ny mandroaka omby hiditra ao amin'ilay lavaka - tapatapakazo atao makarakara mba hidiran'ny rivotra no solon'ny varavarana. Miverina izahay ny ampitso dia avoaka tao ny omby (mbola velona soa aman-tsara ny valala)
h) - ny tsena
Tamin'ny andronay dia efa teo ireo tranon-tsena eo amoron'ny arabe vita tara aty atsinanana sy ny trano fivarotan-kena eo andrefana. Ny fefin'ny sahan-dRadenin-dRasoarivony kosa no mamaritra ny any atsimo ary ny saham-boasarin-dRACLOVIS aty avaratra. Ankehitriny moa dia tsy misy intsony io saham-boasarin-dRaclovis io fa tonga hatreny amin'ny trano nisy an'i Martine anabavin-drain'i Lola mpihara ny tsena.
Nanangana trano heva mpivarotra entamadinika toa an-dry Roby sy Rasolofo mirahalahy sy ireo mpivaro-damba amin'ny metatra (mbola izany no lamba nitafiana tamin'izany satria mbola tsy namidy teny an-tsena ny balles-n'ny friperie sady mbola vitsy dia vitsy) mpivarotra avy eny Fianarantsoa izy ireo.
Ankoatra ireo dia ny vokatra avy amin'ny manodidina ihany no amidy eo amin'ny tsena rehefa andro Alakamisy. Dia ao aloha ny fiompiana : amidy eo na akoho na vorona, ny gisa, ny akanga indrindra ny vorontsiloza. Dia ao indray koa ny vokatry ny fambolena toy anana isankarazany, singaniko amin'izany ny anandrano izay saika nahatorana ahy: madio sy vaventy ery ny anandrano eo Alakamisy-Ambohimaha, tsy naharitra fa nangalatra nanapaka ny hendry dia lasa nihinana tany amin'ny takona ka sempotra tsy nahay miaina, nihanahana irery teo, saika maty ! Fay..
Fahiny dia teo amin'ilay toerana malalaka misy ny biraon'ny Firaisana ankehitriny no fihantsonan'ny taxi-brousse mitatitra ny mpianatra sy olona ho eny Fianarantsoa - ariary 10 no saran-dalana tamin'izany, asa mba ohatrinona izany ankehitriny ary dia eo amin'ny arabe vita tara no iantsona 'izy ireo ankehitriny ( fony izaho nandalo farany tany). Mifanizina eo avokoa na ireo taxi-brousse na ireo fiara mandalo hatramin'ireo fiarabe mpitondra entana -
Rehefa tsena dia mahazo ariary roa avy izahay mirahalahy. Vao mbola any an-tsekoly dia ny hangataka ilay ariary roa no masaka ao an-tsaina. Inona moa raha tsy ny voanjo -dRampizafy no ihazakazahana : dia irony voanjo aman-korany irony izay tanehina miaraka amin'ny fasika, ariary ny kapoaka tamin'izany, alefa ao daholo ny ariary roa dia eroa am-baravaran'i mompera samy maka tsirony. Ampanatsoin'i mompera rehefa tonga i mompera mahita ny hodi-boanjo eo am-baravarany. Bedy sy voasazy mamafa ny tokotanin'i mompera.
Rehefa ankoban'andro dia mangina ny tsena. Mitety trano indray ireo mpivarotra vokatry ny tany toy ny anana, ny vomanga sy ny mangahazo, ny akoho amam-borona. Amin'izay vao mba mividy izy mianaka nitaiza anay dia averin'izy ireo atokotoko indray mba hahazoana tombony dia izay tombony izay no nameloman'izy mianaka miampy ny fanampiana avy amin'ireo anadahin-dreninay sy izay kely mba vitan'i dada.

Hevitra mandeha