Alakamisy Ambohimaha (Imbitika Rambala )
Tantaran'Alakamisy Ambohimaha araka tsiaron'i Imbitika Rambala sy Rabenatoandro Dominique.
Navoakan'Imbitika Rambala tao amin'ny rindrin'ny kaonty Facebook-ny nanomboka ny 29 avrily 2023 hatramin'ny 12 jolay 2023.
Pejy 3
VI - IREO OLONA NANAMARIKA AN'ALAKAMISY AMBOHIMAHARazanapiera Lucie na Ralisy na Toa Lisy hoy izahay
Rahavavin-dreniko izy io ary rehefa maty ny reninay mirahalahy (mbola 2 taona teo ho eo aho tamin'izay) dia nanapakevitra ny tsy hanambady izy fa hitaiza anay mirahalahy - mora mifandray aman'olona izy izay ary tsy misy tsy mahafantatra an'izany Ralisy eo ambavahadin-dry mompera izany. Nanana andraikitra teo amin'ny fiaraha-monina izy satria nisahana ny fanjarian-tsakafo ary tsy nisy karama izany. Izy koa no nitarika sy nitantana ny fikambanan'ny Gorettine izay nampivory ireo zatovovavy katolika teo teo an-tanàna. Ireo fanampiana na asa nataony ireo dia tsy mba nandraisany vola fa nataony an-kitsi-po sy tampitiavana. Malala-tsaina izy koa tsy dia nanisy olana loatra tamin'ireo fanovana maro teo amin'ny fiangonana katolika. Kivarobarotra composé sy izay tombony amin'ny vokatry ny tany entin'ny olona eo aminy no fidiram-bolany. Eo anoloan'ny tranony ihany izy no mivarotra. Nisy fotoana izy no mandray ireo ankizy avy any ambanivohitra hianatra eo Alakamisy.
Nahasolo tanteraka ny reninay izy ary nety taminay ny toe-tsainy.
Randrianasolo Edouard.
Olona tsotra sy mahay mifandray aman'olona izy ity. Mpivavaka ao amin'ny fiangonana loterana izy nefa tsy nanakana azy velively izany hifandray amin'ireo manodidina azy. Mampivarahontsana ahy izy satria mpanao mazia hono izy. Somary mihozongozona kely izay ny lohany ary maranitra dia maranitra ny masony toa maniteraka ny fanahinao rehefa mijery anao. Ary izay no mampatahotra ahy aminy.
RAZOZY
Tsy mba nifamaly taman'olona izany Razozy - sady mitsikitsiky izay izy no manaiky izay rehetra manafatra azy. Matetika izy no tratranay mipetraka eo amoron-dalana mamono ny sigarany dia sady mimenomenona eo izy no rafitra mandihy tampoka ary jenitra dia jenitra ery izy io mandihy io - tsy mba irony dihy mihetsiketsika irony fa dihy milanto miaraka amin'ny don-tany kely, dia mihomehy kely vao mipetraka misintona ny sigarany indray - Rehefa alahady dia tonga mivavaka ao amin'ny katolika izy ary any afara be any izy no mipetraka saingy tsy mandray komonio. Nanao ahoana tokoa re raha tsy nisy Razozy tamin'izany e!.. saingy tsy fantatro kosa izay niafaran-dRazozy fa mbola teo Razozy raha niala hanohy fianarana teny Fianarantsoa aho
ILAY MPIKOKA :
Tamin'izany fotoana izany dia mbola vitsy na mbola tsy hary fomba toy ankehitriny ny fitaovam-pifandraisana - tao ny lakolosy isan-karazany hiantsoana ny olona hivavaka dia tao koa antsiva izay efa tsy tazana intsony hiantsoana ny olona hivory ohatra - Fa ny anay teo Alakamisy teo Antampontanàna kosa dia tena niavaka : rehefa tapi-misakafo eo hoe eo ny olona ny hariva ka efa mioman-ko handry dia "injay ilay feo* hoy ny hiran'ny Kintana Telo. Olona iray avo feo no mitondra ny hafatra ho anao toa izao : " mihainoa daholo e : ilazana isika vahoaka fa (ohatra) : ho avy ny governora vazaha rahampitso koa samia mamafa ny tokotaniny daholo - (na ohatra faha) araka ny didim-panjakana dia tsy maintsy lokoina mena daholo ny iray metatra fanambanin'ny trano ary fotsy ny ambony sisa -
Izany no fampitam-baovao na fampitana ny didy tamin'ny androm-pahazazanay teo Antampontanàn'Alakamisy - ary izaho mino fa nisy ohatra izany na tany Antanimadilana na teny Ambatolahy - manam-peo izany olona izany saingy tsy tadidiko ny anarany .
VII - SAMIHAFA
Sesehena ny zavatra azo tanisaina raha mikasika an' Alakamisy-Ambohimaha satria maro dia maro ny tiana mbola hambara. Mamy loatra mantsy ilay fahazazana sambatra tao anaty fahakambotiana teo Alakamisy-Ambohimaha !
Ny fanabeazana
Na 25 km avaratry Fianarantsoa aza no misy an'Alakamisy Ambohimaha dia tsy mba nisy sekoly tsy miankina izany teo, fa na niankina tamin'ny fanjakana na niankina tamin'antokom-pinoana. Asa ankehitriny fa hatramin'ny taona 1970 niondranako ho aty Antananarivo aloho dia mbola tsy tadidiko ho nisy an'izany teo eny fa na dia sekoly fianarana asa aza. Fa dia manenjika eny Fianarantsoa avokoa ny ankabeazan'ny mpianatra. Tamin'ny andronay moa dia ny concours de campagne nataon'ny katolika no nenjehina kanefa hidirana classe de 8e izany satria nianatra 2 taona vao naka CEPE.
Ankehitriny misy ny Lycée-m-panjakana izay ary andrefana avaratra lavitra ary hany ka mahazo vahana ny an-dry Masera eo Antampontanàna.
Ny fitaterana
VIR FIDELIS (L'homme honnête na l'honnête homme) sy TAFIOTRA. ireo no fiara mpitatitra hitako voalohany teo Alakamisy-Ambohimaha . Fiara Renault 1000 kilos izy ireo ary toa i Paul Karathanos aza no tompony. Nandeha dia nandeha tokoa ny asa fitaterana tany amin'ny taona 60 tany ho any satria nihamaro ny zaza mianatra kanefa eny Fianarantsoa vao misy sekoly antonona raha te hanohy ny mpianatra - efa voatenintsika teto ry grika Sterios na Stera sy ry Imbozaka satria mpitatitra ireo fa tao koa ry Fano teo antsena izay nanana fiara mpiatatitra koa, tao koa i Raseta tany Antanimadilana sy ny sisa.
Teo amin'io toerana malalaka eo anoloan'ny trano fiangonan'ny mpino katolika io no fiantsonan'ny taxi-brousse Alakamisy - Fianarantsoa, nalalaka sady nety ho an'ny vahoaka teo araka ny fahitako azy satria manakaiky kokoa ireo mponina avy aty avaratra - betsaka ny mpianatra sy mpiasa eny Fianarantsoa no mody eo Alakamisy ary miainga vao maraina. Tamin'ny taona 1965 dia 10 ariary na 50 fmg ny saran-dalana Alakamisy - Fianarantsoa -
Ny nandehanako taxi-brousse Alakamisy - Fianarantsoa dia tamin'ny saran-dalana 2 000 ar na 10 000fmg ka asa raha ohatrinona izy ankehitriny -
Ary tamin'izaho nandalo farany dia eo an-tsena ny fiantsonan'ny taxi-brousse Alakamisy - Fianarantsoa - tery tena tery ilay toerana - ary toa tena nahafatesana mpitatitra mihitsy aza, hono, izany fahateren'io fiantsonana io. Ny zavatra hitako aloha dia itony fiara mpitatitra solika itony no nandalo ka dia fahasahiranana re izao, ny mpiantsena koa moa, toa ireny vahoaka any ambanivohitra rehetra ireny ka sady te hahita "raha" no misy koa miandranandrana dia tsy mahalala izay hafaty azy, ao koa ny miseho tsy matahotra fiara joa dia saika nisy loza e...
E.. Alakamisy-Ambohimaha izay!
Toerana iray sarotra hadinoina - izany mba hoe affecté tany ambanivohitr'Ifanadiana ny tena rehefa niasa dia tena nahavatra "ningitrika" fa hody eo Alakamisy-Ambohimaha, rehefa tonga eo anefa dia tsy hanao inona fa dia handehandeha sy hijery ny namana fotsiny,
Alakamisy Ambohimaha toerana nanabe sy nibeazana -
Raha sendra mandalo any ianao dia mandrampihaona indray hono hoe !..
TAPITRA
Imbitika Rambala 2023

Hevitra mandeha