…HELOHY…(tohiny 2)(misy pejy efatra : 4 ) (MAZ RAMANA)

Mpanoratra MAZ RAMANA
Nampiditra MAZ RAMANA
Nitsidika 208
Mpanoratra MAZ RAMANA
Misy pejy efatra (4)
Pejy 2
Mpisendaotra lava Razama, tsy maintsy nandefitra ny vavy satria mantsy...vehivavy! Ankoho sendra naratra niadivan'ny ankoholahin'olonkafa any ambadika any aza, hitany hikasihan-tanana. Atody sendra may tao ambilany, raha variana nikarakara ny zaza ny reniny, dia hitany handakana ny vilany niaraka tamin'ny hanina efa masaka.

Nisedra karazana adim-piainana be dia be i Zoely sy i Zama satria nanomboka nivoatra ny toetrandro...nanomboka tonga sy nahazo vahana ny fanatontoloana! Tsy dia nisy fotoana nilaminana firy ny tokantrano satria somary lehibebe ihany ny elanelan-taona nisy. Mpianatra sy mpampianatra tany ampianarana no fifandraisana nisy talohan'ny nangatahan'i Zama azy teny antranon-dRay amanadreniny.

Na inona na inona mety ho antony anefa,na fihafiana aza ny tokantrano hoy ny Ntaolo...dia sarotra ny tsy hiova fijery sy haniry filaminana. Sarotra ho an'ny fo ny tsy hitady hifikirana raha sendra namana mba hany nahatsapa ny mavesatra tany ampo.

Nifanaraka tsara izy mivady ary nampitovy fomba fijery ka nanao tsoa-kevitra fa tsy hisy soa ho azy intsony tany ambanivohitra, ka dia tapaka fa hiakatra renivohitra hitady ravin'ahitra. Samy trotraky ny asabe tany antsaha sy ny rabirabin'ny fiaraha-monina rahateo ka vonona saina amam-panahy hitady fivoarana any Antananarivo hono!

Eny...Antananarivo...Tanànan’ny havoana arivo, hoy ihany aho, sy fahoriana arivo. Roapolo taona katroka ramatoa kely tamin'izay. Roso ny dia, nentina izay ambim-bava zaka, izay vidin'ny akoho amam-borona sy ny hany sisa fananana kely!

------------------------------------------XXX-----------------------------XXX------------------------------------------

- Dia ahoana iky no hataoko? raha ianao no teo amin'ny toerako Rasoa? Dia tsy afaka hanampy ahy mihitsy ve ianao? Honerako re rehefa miasa tsara aho eh, hiezaka mafy aho tsy hanala baraka ny anaranao! Ilaiko io asa io.

- Ehe? Ka ny vadin'indriko izany izao ahoana? Fantany ve hoe asa tsy takatry ny diplaoman'indriko akory ity ho bodoin'indriko hatao? Fantany ve hoe nanamafy ny mpampiasa fa vehivavy mbola tsy manambady no ilainy? Ahoana hoy ary i Zama raha fantany izany?...hoe kara-panondroko sy dimplaomako no ho entin'indriko hiasa? Mahamenatra anie izany ry Zoely raha sanatria misy mahalala eh?

- Mba mitalaho re Rasoa oh! Ny zanako jerena raha tsy hijery ahy ianao!Razama nilaza tamiko fa tsy hanisy olana ny amin'izany rehetra izany raha manaiky ianao. Ny fangatahana nataony tamin'ireo sekoly manodidina rehetra nitadiavany asa anie aza mbola tsy nisy nivaly hatramin'izao eh? Izahay manofa trano! Andohalika re ity ranom-barinay Rasoa oh, sanatria manozona re fa mba hiezaka hanao izay vitanay aminareo izahay ao aoriana raha sanatria ka mba hisy ny hilanareo famonjena aminay eh!

Nandinika kely i Rasoa, nanopy maso ambony ambany ny fihetsik'i Zoely mipetraka eo ambony seza! Efa kely sisa dia hitsoraka amin'ny tany handohalika ny tongony roa!

- Eny ary...fa izao ry Zoely an, raha mivoaka izao resaka izao, dia tadidio fa indriko no hitafy henatra voalohany, fa tsy izaho, lazaiko ny olona hoe nangalarin'indriko ny karatro sy ny fanamarinana diplomako raha sanatria ka misy mahafantatra ankoatra antsika izao! Izaho tsy hitonona ho nanampy an'indriko, fa mampigadra izany! Raha mety amin'indriko izay, dia ireo ny taratasy! Ento fa zaho hanamboatra vaovao.

- Misaotra betsaka retsy, tena mamonjy ahy ianao! Tsy ho adinoko izao!

- Ehe, ka aza adino anie ny vola hanamboarako taratasy momba ahy vaovao ry Zoely rehefa mandray karama indriko!

- Eny re, fa hataoko mihoatra aza! Aza matahotra! Nitsiky tsy ravina kely tamin'ity takolaka nivoara-mena sy maso nanganohano i Zoely rehefa nahatsapa maivana kely tany ampony!

Samy natoky ny roa tonta fa tsy hisy ny olana, fifamonjena no atao amin'ny maha samy vehivavy! Ary indrindra, vadin'ny mpirahalahy ka raha sanatria hifamadika...samy ho afa-baraka amin'ny havam-bady! Lasa niasa i Zoely, nanao sekiretera tamin'ny tranombarotra Lehibe tao Andraharo. Razama kosa, nanohy ny fangatahana asa eran'ny sekoly rehetra izay nandalovany. Fa tsy mbola nisy nivaly, ka dia nandrinandry naka naka aina. Naka sy nanatitra an'ikala kely nianatra aloha mandra-paha! i Anja mantsy eh, izany no anaran'ny zanany!
------------------------------------xxx------------------------------------------xxxx--------------------------------------------------------
208

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079