…HELOHY…(tohiny 2)(misy pejy efatra : 4 ) (MAZ RAMANA)
Misy pejy efatra (4)
Pejy 3
Lasa ny iray, roa, telo taona tato aoriana! Efa azoazo ny volon-tanin'Antananarivo! Nivoatra ny fomba fijery, nitombo ny fahatokisan-tena, ny fiankanjo tsy maintsy natao nifanaraka amin'izay takian'ny asa! Izay no fiaiana eto. Niova koa ny namana sy ny revy, niha betsaka nanaraka ny taona! Nifandimbiasana tsy fahampiana matetika, alahelo, fitiavana sy fifamelana, fahasarotampiaro, adiady matetika saika lasa fitia te hisaraka mihitsy aza.
Tao anatin'izay telo taona izay, matetika rehefa tsy zakan'ny andaniny sy ny ankilany ny toe-draharaha dia : alefa manao vakansy kely any amin-dry Dadabe rabera ny zazakely, indraindray any amin'ny anabavin-drazama eny Ambanidia, indraindray any amindry Rasamy rahalahiny, ilay vadin-dRasoa. Indray taona aza, tonga tany Maevatanana tany amin'ny zokin'i Zoely vavy matoa, nanambady tany mantsy ilay ramatoa. Nandray azy foana moa ny olona! Nihantra, zaza ve moa ho ariana?
"Fa aiza ihany ity filaminana noheverina fa ho hita teto? Mbola ho ela ve? Asa..."
Rehefa mitonitony ny tafiho-drivotra dia...indreny izy mivady mifampitantana maka ny zanany ihany, dia mitondra azy mody!
Saingy, averiko ihany hoe : na inona na inona ho aho mety ho antony, na fihafiana aza ny tokantrano...dia sarotra ny tsy hiova fijery sy haniry filaminana. Sarotra ho an'ny fo ny tsy hitady hifikirana raha sendra...
- "Eo, mba jerijereo kely eo Randriana io zanako io sao mivoaka ny vavahady fa tsy ela aho ah!" "Tsy mahazo mihetsiketsika eo ianao an?" hoy indray i Zoely nitodika tany aminjanany.
- "Tsy ho ela angaha?" hoy ny feo nananihany, toa nanakora, sady narahana hehy be avy ao aorianany satria ren'ny mpiara miasa rehetra moa ilay resaka! Fa tsy niraika ramatoa, notohizany ny làlany sady mba nitsiky koa izy.
- "Maninona kosa ilay zaza raha mba entina miditra ao hijery an'i...Papa eh?" hoy indray ny sasany nanaraka tamin'ny feo avo toa mbola nihantsy azy ihany.
Nitodika niverina ny lohan'ny Zoely, sady nikentrona ny handriny nijery ireo namany! Toa te hiteny hoe : Aza miteny mafy sao henony! Izay vao nanohy ny làlany niditra ny biraon'ny talen'ny orinasa.
- Ny papa ako aza any antranonay koa, hoy ilay ikala bado kely...tsy mahalala n'inon'inona akory tamin'izay votoatin'ilay vazivazy teo.
-----------------------------------------------------------------------xxx----------------------------------------------------------------------------
- Tafalatsaka lesy ikala Zoely izany koa. Ahoana izany izao no hataon'ialahy Razama? Dia ahoana izany izao ny zazakely? i Remo zokiny lahy matoa io miresaka amin'i Zama io.
- Efa anatin'ny manao dingana farany lehitsy aho izao ah! Na tsy tonga taty amiko nitatitra izany resaka izany aza ialahy, tsy vao izao izany no fantatro! Izahay efa ela no tsy niara nipetraka! Efa voalamiko ny toe-draharaha, i Anja, ho apetrako any amin'i Lova (zandrindry zareo faravavy)! Afabaraka aho letsy! Inty izany no hoe : Bay an-kandrina amin'ny anarany!
- Ka raha tsy hanao n'inon'inona ialahy amin'izao toe-javatra izao, dia ialahy no tena ho maty resaka sy ho fosain'ny fianakaviana ho lehilahy mohaka! Aleo ny lalàna no hitsara azy, fa tsy misy fahadisoan'ialahy izao! Sady tsy izaho irery anie no vavolombelona nahita izany zavatra mamoafady nataon'i Zoely izany eh!? Ny vady aman-janako teo, nisy zaodahintsika koa teo. Tsy ny tany no fady...hain'ialahy ny tohin'izay!
- Eny, fa efa andalam-pamaranana ny tantara aho hoy aho mantsy an'ialahy teo.
--------------------------------------------------------------------xxx--------------------------------------------------------------------------------

Hametraka hevitra
Midira aloha