…HELOHY…(tohiny 2)(misy pejy efatra : 4 ) (MAZ RAMANA)
Misy pejy efatra (4)
Pejy 4
Sendra nanafatra an'i Voahirana mba hitondra ny zanany hijery azy tany Ambohimanarina i Zoely indray andro izay! Angamba saika mba hanome vola kely ho solon-tsakafo ihany koa no tena tanjony tamin'izay. Satria mantsy tao anaty korontana mafana ry zareo ka, toy ny mahazatra dia, nalefa kely nipetraka tamin'olona ny zazakely!Tsy ampy dimy minitra akory anefa ny nifampiarahaban'izy telo mianaka (i Voahirana, i Zoely ary i Anja), dia nisy nandondona tao ambavahady. Nikoropaka i Zoely nanosika azy roa vavy kely hiafina tao anaty trano fidiovana, izay no akaiky teo. Mila afenina mantsy satria, ilay lehilahy niaraka taminy, tompon'ny trano nitoerany, dia ilay talen'ny orinasa niasany ihany, tsy mbola mahalala hoe manan-janaka izy, sy manambady ara-dalàna, vita mariazy. Noheveriny ho io lehilahy vadikeliny io no nanao tampody fohy, kanjo...
Toa nifokofoko nisentosento izay i Voahirana nitazana izay niseho avy eo amin'ny lavaka kelin'ilay varavaran'ny trano fisasana! Fantany tsara ny zava-niseho satria efa lehibebe ihany izy. Nahita and-Razama izy, dia nahita olona telo hafa manao fanamiana mpitandro filaminana.
Ny zaza, tsy nahalala na inona na inona. Dia lasa izy ireo nandeha antongotra nitady olompantatra erak'ambohimanarina ny harivan'io, fa tsy nahita. Mbola i Zama ihany no nihazakazaka nitady azy ireo ny alin'io, nitakoko niandry izay higadonany toy ny rafotsy be very loana tamin'ny sisin-dalana izay i Voahirana, namikitra mafy ny zaza fa nangatsiaka be ny andro...no nandalo i zama.
Nigadra i Zoely, rava ny tokantranony! Niara naterina teny antanimora izy sy ilay tale nanitsahany an'i Zama. Naveriny nipetraka teny amin'ny Anabaviny indray ny zaza ka nanaterany solon-tsakafo isambolana. Nalefany nody any ambanivohitra hilaza ny vaovao tamin'ny ray amandreniny i Voahirana. Afa-baraka teo amin'ny fiaraha-monina izy mianakavy!
Indrindra indrindra anefa, indrokely saika adino, nitondra kibo roa volana i Zoely izay lasan'ny polisy teo izay. Somary nanao tsy dia salama mihitsy aza izy no nahatonga azy nijanona naka aina tao antranon'ily lehilahiny tao Ambohimanarina, saingy...efa lasa izy vao nahalala i Zama sy ny havany hoe : nogadrainy ny vadiny bevohoka. Hafiriana no hijanonany any? Aiza izy no hiteraka? Iza no hampinono ilay zaza mandra-pahavitan'ny sazin-dreniny raha mba tahiany ka ho teraka velona? Asa lahy...
Ny tenako manokana tsy afaka ny hanazava na haneho hevitra hoe avy amin'iza ny fahadisoana. Samy tiako sy hajaiko na ny andaniny na ny ankilany.
Mangidy ny mamerina mitanisa izany ao antsaina raha zavatra tena niainana, saingy, efa fotoana izao! Aleo hivoaka ny marina mba tsy ho hevitra olombitsy intsony no entina hitsarana sy hanamelohana ary hanimbana fiainana iray manontolo. Tsarao ary, ka helohy!
Mbola hitohy.

Hametraka hevitra
Midira aloha