…HELOHY…(tohiny 3)(misy pejy efatra : 4 ) (MAZ RAMANA)
…HELOHY…(tohiny 3)(misy pejy efatra : 4)
Pejy 2
Vita ny servisy roa taona! Tonga ny fotoana fifaliana, samy hamonjen'ny tsirairay ny ankohonany sy ny fianakaviany avy. Ho aiza moa izany izao ity làlana ho diavin'ny tongotro? Eny, saika fetsy ihany aho, ka vao nivoaka tao dia nitady an'ilay tovovavy nadalaiko tao amin'ny camp izay, tazako matetika teo hivelan'ny vavahady izy niaraka tamin'ireo mpivarotra hani-masaka, dia nitoriako fitiavana imaso imaso teo indray andro izay, ka zakako! Lasa mpanala ny havizanako matetika sy mpanafosafo ny feriko rehefa izaho avy mandeha lavitra. Niandriandry azy teo amin'ny vavahady be aho, tsy nahandry ela dia, lasa...nanontany izay mety hisy ny tranony tamin'ireo namanamany izay fantatro, dia nihazo avy hatrany ilay làlana natoron'ny olona. Faly ery aho tato ampoko hoe : mba tsy foana ny eritreritro, mba manana olona hivantanana, toy ireo namako rehetra maika hamonjy ny azy avy.
Tsy nihambahamba mantsy aho (izay no toetrako) nandondona ka nandroso, dia niresaka sy nampahafantatra ny tenako avy hatrany! Nanantena fa ho faly handray sy hikarakara ahy ireto noheveriko fa ho havako vaovao satria an'ny olon-tiako. Hankina aho nilazany teo fa...hay zanaka miaramila begalona sy hajaina fatratra eto Morondava izy, ary tsy fantatry ny Ray amandreniny ny fiarahany amiko. Sadaikatra mafy izy vao nahita ahy, tsy hitany izay ho raisina, ny ahy ny resaka efa lasa mialoha! Teo imasoko ihany, tsy niandry ela, nitsangana ny Rainy, dia felaka mandrivorivo no niantefa teny amin'ny tàvan'ilay malalako. Manetry voninahitra azy hono. "Mandehana ianao mandeha", hoy izy mantsy ahy niaraka tamin'izay. "Aza miverina aty intsony n'inon'inona mitranga, dia aza mihevitra ny momba ahy intsony koa fa tsy anjara ny antsika". Tsy nahateny intsony aho na indraim-bava aza, lasa aho nitsoaka niaraka tamin'ny enta-kely taty am-babeko. Tsy nahita azy intsony aho nanomboka tamin'izay fotoana izay. Toa sanatria toy ireny nafenina ahy tanteraka ireny ny tenany, sy ny fiainany.
Resadresak'ireo namany taty aoriana, no nahenoako hoe nalefan'ny dadany nianatra any Antsirabe izy. Niezaka nanontany aho hoe inona no antony tsy nitiavan'ny rainy ahy, nefa izaho mba miaramila mitovy aminy ihany...dia namaly izy ireo hoe : "Mety ho tiany ihany raha Miaramila no ho vinantony, fa tsy vatatay kosa eh!". Sady niara niomehy r'ikala isany. Eny eh, marina ny azy. Izay izany, tsy anjara ny anay. Nifamahofaho be ihany ny ratram-po sy ny fahadisoam-panantenako. Nafeniny tamiko ny momba azy, nefa matoa izy tonga nijery ahy isan'andro dia...mety mba tiany ihany aho izany! Narary ihany saingy, tsy dia nahataitra ahy loatra. Izy rahateo toa tena mbola zaza...mba tsy nogadrain'ilay Miaramila rainy aho aho...hoy aho tany antsaina nampahery tena. Dia lasa aho, mbola nisy ambiny ny vola kely tamin'ny aferafera keliko tao amin'ny toby ka, tsy dia niasa saina be loatra ny amin'izay hiafarako aho! Izaho rahateo tsy very raha mbola eto Morondava hoy ihany aho.
Raha faly ery ny ekipa rehefa tonga hamangy azy sy manatitra sakafo, lamba, vola kely ho azy ny havany? Izaho koa mba faly fa hanambola indray izay ry zalahy, nefa izaho no hahazo tombony kokoa. Tsy nisy nanana fahasahiana mihoatra ny ahy tao. Raha mipetraka ny didy fa tsy mahazo mivoaka na mifanerasera hivelan'ny toby, raha tsy miaraka amin'ny lehibe hivoaka hiady na hikontrana, izaho mahita làlana ambanin'ny tany hihaonako manokana amin'ireo mpivarotra sigara, toaka, mofo atao odim-bavony, sns...Mahavatra mihoatra tamboho mihitsy, indrindra rehefa mba nalalaka kely tamin'ny andro tsy fianarana i Claire. Izany no anaran'ilay olontiako voalohany, ilay nadalaiko tamin'ny kivazivazy teo ambavahadin'ny toby.
Izaho ihany koa no mpiantoka hareza na lam fihetezan-dry zalahy tao amin'ny camp, mbola izaho koa no manaratra ny lohan'izay tsy te haratra sy tsy mbola zatra ady anaty akata. Ny tambin'izay kosa? Izaho mividy mora, ny ekipa asiko mandoha vola avo roa na telo heny ho saran'ny harerahako sy tambin'izay loza mitatao na fahatratrarana mety hihatra amiko mandritra ny diako any hivelany. Nangoniko ireny vola kely tombony ireny, izay tsy laniko tamin'ny sigara sy nanambatambazako an'i Claire rehefa izahay mivoaka, izay izany izao no tavela ampaosy. Fa mba nisinisy hisaina ihany kosa naizany aza. Heeee, nampahatsiahy ahy an'i Dada foana ireny toetrako ireny...Henjana izany raha hitady vola! Saingy...maty nahantra ihany anefa izy.
Iny izaho nandrinandry teny amin'ny tora-pasika mbola nandinika izay ho asiana ny loha ny alin'io iny indrindra, no nisy tovovavy bikana sahisahy izay...nanantona avy any aorianako. Mélanie indray no anarany.
- Iha mila nama va?
Izaho tokana, somary very hevitra nefa koa tsy te hiady saina be loatra ka dia :
- Eka! Midoboa agnilako etoa anao pelasoa!hoy aho nanarina moramora ny lohako avy teo ambonin'ilay sakosiko niondanako.
Dia nanomboka ny tafatafanay! Tsy naharitra ela, fa niezaka nifankafantatra fotoana fohy, ka ny nihafarany avy hatrany dia ny hoe : hiara hatory izahay anio alina. Nisy anjanko tiany be hono tany antsena ka raha hiaraka amiko izy anio, dia mila mahavidy io lamba tiany io izay vola omeko azy.
- Vilianao sikiko zay eh? hoy izy naka toky rehefa samy nitsangana handeha hampiara-dia teo amoron-dranomasina izahay.
- Eka! hoy aho. Notambatambazako araka izay vitako izy dia, nampanantenaiko ho alaina vady. Nentiny tany amin'ny ray aman-dreniny aho rehefa avy nifanadala herinandro mahery kely teo zahay, somary mivoaka kely ny renivohitra no misy ny tanànany. Dia nipetraka tany aho, nataoko izaho samy irery izay fombafomba nangatahan'ny olon-dehibe teo amindry zareo, dia nivady izahay. Niteraka vavy kely, i Herimasy no nataoko anarany. Nifofotra mafy nanao kibaroa (asa an-tselika vola malaky) isan'andro tany amin'ny bazary ben'i Morondava aho, namelomako ny vady aman-janako sy nanomezako izayrehetra fantatro hanaitra ny fony. Hahafahako mba nanan-kialofana sy olon-kivantanana,mba tsy ho honjohonjoko izaho samy irery ny adim-piainana.
Niandry aho, izay ho fanambarana ataon'ny tafika hamoaka ny anaran'izay voahantso amin'ny fanavaozana ny fifanekena miaramila (rengagement) dimy, fito, sivy volana, herintaona sy tapany...teraka ihany ny zaza fa heeee, tsy hita soritra izay nalehan'i Vandam. Ilay nampanantena ahy, ka noraisiko tamin'ny fo ny teniny rehetra : " Leitsy a, tsy hanary anao mihitsy zaho e. Na ovia na ovia, ataovy hoatry ny zanako iha. Managna ahy iha na aia na aia alehanao. Laha mbo ato anatin'ny tafika iha, zaho ro hiantoka ny rengagement-nao, aza matahotsy amin'izay. Fantatro tsara iha fa kamboty, sady haiko tsara iny babanao iny tamin'izy mbo velon?o. Namako izy, ka tsy mety amiko ny hamela ny zanany. Tsy manary kamboty zany zaho, leitsy a. Miasà tsara fotsiny, fa zaho mbola ato." Nionona ary aho, nitady asa mafy, tsy nikely soroka...toy ny efa fiainako hatramizay ihany : Asa majinika, izay no takatry ny fari-pahaizako. Fa ny tanjaka kosa mbola nananako betsaka, ka nampiasaiko izay hivelomako. Leo ny tao amin'ny bazary be aho dia nanaraka ireo namanamako niserasera enta-majinika, nanomboka nampiasa vola toy ny nataon'i dada dia lasa mpamatsy fanafody tany ambanivohitra lavidavitry ny tanan-dehibe. Nividy mora dia novarotra lafolafo kokoa. Sahiko ny mihambo fa azo laizaina ho niadana ny vady amanjanako nanana ahy. Tsy nahalala sasatra aho nitady vola, tia manambitamby sy nampihanta satria izay no mba fantatro hoe hafahako mitazona ny fanajany ahy foana.
Nanazava tamiko izy talohan'ny tena naha tapa-kevitra ahy ny hifikitra taminy hoe, tsy mpivarotena ny tenany (araka ny noeritreretiko tany amboalohany) fa efa elaela hono no nahafantarany ahy, sy nahitany ahy matetika milanja ny basin'i Colonel Vandam isaky ny mivoaboaka miala voly izahay. Izaho irery ihany koa mantsy no nahazaka ny gedrigedry sy ny siakany, nanaja foana sy nahay nitsiky taminy na dia fahazarany aza ny manambany sy manadroadro anay teo ambany fahefany. Nankahalan'ny ankizy rehetra azy izany, fa izaho, naleko niaretana. Izaho rahateo efa zatra, ka mainka aza nahafinaritra ahy satria nahita soritra an'i Dada aho, indrisy, toy ny mahita an'i Dada ihany aho mahita azy, sady mba nampangina ny alaheloko tsy hipongatra ny fifaneraserako matetika tamin'i Colonel. Lasa nahafinaritra azy koa aho tao aoriana ka lasa antsoiny matetika manaraka azy n'aiza n'aiza, indrindra manafina ny hadalany rehefa andro tsy fiasana ka mamomamo izy. Indrisy moa izany fa dia herimpo verimaina ihany ireny. Tsy nisy fiainana ho ahy tao amin'ny tafika, fa mpibatabata sady mpanera entana tao a bazary no asako. Reraky ny tao aho dia nanondrana fanafody nandeha tongotra lavitra be tany ambanivolo. Rehefa lanilany ny fanafodin'ny croix rouge ka tsy nisy entana ho amidy aho dia...nitaritarika posy teny, na nanaraka andry zalahy nanao fiambenana pilone na tany amin'ny fibatana gilasy be. Sitrany ahay dimy arivo sy iray alina ao anatin'ny efatra amby roapolo ora. Tany mantsy na tsy nahazo natory aza, mba nisy namana hiarahana mivazovazo sy misotrosotro. Mifandimby maka aina kely dia, samy mody rehefa maraina. Hitako foana izay fomba hitadiavana eh, raha tsy nety ny tatsy, tsy maintsy nataoko izay nampety ny taroa.
Fa...reraka ihany aho naizany aza! Leo ihany indraindray tamin'ny karama kely sy ny tsena tsy mandeha indraindray nefa ny tena miha valaka ihany.

Hametraka hevitra
Midira aloha