…HELOHY…(tohiny 3)(misy pejy efatra : 4 ) (MAZ RAMANA)
…HELOHY…(tohiny 3)(misy pejy efatra : 4)
Pejy 3
Na, raha ny marimarina kokoa, tsy ny fitadiavana no tena nakaleo ahy, fa ny fahatsapako hoe nanomboka tsy dia nisy hilana ahy be loatra intsony rehefa niha kely ny vola nentiko nody. Izaho rahateo tsy mpiasam-panjakana araka ny niheverana ahy intsony satria tsy voaray hiverina ho miaramila...tsy nanana anton'asa misy fototra, ary indrindra : tsy nanana lova nampanantenaina fa milafika manara-bady aty antanin'olona. Voninahitra ho ahy, sy reharehan'i Mélanie anefa teo anatrehan'ny fianakaviany, ny nahavitako ilay trano hazo mihajahaja kely izay. Ilay tranobongo kelin-janako. Vola vidin-tsiramamy, izay no nahavitako an'io trano io. Nirehitra ny tranoben'ny siranala tamin'ny andron'ny grevin'i Andry Rajoelina nanongana and-Ravalomanana. Nirohitra namaky trano tao ny olona, samy namoaka izay zakany, toy izany daholomantsy no nitranga manerana an'i Madagasikara tamin'iny vanim-potoana iny. Nanararaotra namaky sy nandroba izay azony napoaka ny olona, indrindra ireo sahirana, izany hoe ireo sokajy ambany idrindra ao anatin'ny fiarahamonina. Anisan'izany ny tenako, tsy an'asa. Fa notaomiko daholo ny zaodahiko sy ny namako rehetra, dia nokaramaiko toaka sy vola kely, nivarotako iray tamin'ny kisoako tao ambala mihitsy handoavana ny vola sy revindry zalahy. Ny sasany mitaona, ny sasany mandavaka. Siramamy amin'ny gony efa ho dimapolo lasaka latsaka kely no azonay. Nafeniko tao anaty lavaka be iray teo atokotaniko ireo, fa mampigadra raha sanatria nisy nahatratra mantsy. Andro alina no nanaovanay ny asa rehetra, ka na ny vady aman-janaka isan'isany avy aza tsy dia nisy nahalala tsara izay tena nataonay. Ny vehivavy rahateo manahirana rehefa hilazana zavatra ka, ohatr'ireny hoe nivorivory nadeha nisotrosotro sy nandehandeha toy ny fataonay matetika ireny ihany no fomba nivoahanay sy nidiranay ny trano tsirairay avy. Vita ny afera, nilamindamina ny toe-draharaham-pirenena. Niverina nisokatra ny magazay sy ny orinasa lehibe, enim-bolana tao aorian'izay krizy izay. Novoakako indray ny siramamy tao andavaka ka notaomiko tamin'ny kamiao, soa fa niaro azy tsara ireo labasy namonosana. Efa nahita olona handray azy arak'izay vidiny lafo indrindra aho, izay vao sahy namoaka.Tampoka teo, nanana trano zahay, teo amin'ilay ampahan-tany kely noman'ny ababen-dry Mélanie. Voninahitra ho ahy, sy reharehan'ny vadiko hoy aho, fa iray na roa taona teo ihany moa araka ny mahazatra dia...lany mamy ny voninahitra. Miandry zava-baovao hanaitaitra fo indray ra-olombelona, fa rehefa tsy izay dia...leo.
Tsapako niha nangatsiaka ny fandraisan'ny olona ahy, indridra ny vadiko. Azoko tsara avokoa ny anton'izany, ka na ny nametraka fanontaniana aza tsy nataoko, fa naleoko foana nanao zavatra, niezaka niady ny tsara kokoa foana. Vola mantsy...vola...vola no anaranao...hoy ilay hira iray mahatsikaiky izay. Faniriana te hilofo mafy kokoa no naterak'izany toe-javatra izny tamiko. Nefa raha ny tokony ho izy dia, ditran-dehilahy no tokony ho setrin'izany raha ny an'ny olondrehetra. Fa izaho, tsy manana alalana ny amin'izay. Raha haditra aho satria leo, dia izaho ihany no ho olombery hiverina hirenireny irery tsy manankialofana. Tsy tiako hiverina tamin'izany fahatsiarovana izany akory ny saiko, naleoko nitady izay fomba rehetra hahitako volabe, hamerenako ny tsikitsiky sy karakara mamy fataon'ny vadiko ahy rehefa reraka avy miasa. Efa handeha taona iray mantsy izay, no tsy nisy intsony ireny. Lasa nirona kokoa tany amin'ny tokotanibe any amin'ny mpanao ramia (kilalao karatra) any izy isan'andro, raha nadio sy nilamina ny trano taloha, tsara masaka sy mbola nafana ny sakafo rehefa tonga aho. Ny tato aoriana mantsy, zaza mivoravora mitomany noana sy trano feno lalitra, vary may ao ambilany, mbola tsy misy laoka, izay sisa no vantaniko ato. Matetika entiko ny zaza, dia lasa zahay mianaka misakafo amin'ny hotely, fantatro mantsy fa efa lany tamin'ny ramia izay ny vola matoa ny laoka mbola tsy masaka. Noho izaho manara-bady moa, dia tsy afaka miteny betsaka. Mitelina mangina izany rehetra izany aho, sady mandinika ihany izay tena tokony hataoko...
Nilazako ary ny vady amanjanako fa nahita asa any beloha tsiribihina aho, ka tsy maintsy hijanona any mandritra ny asako fa tsy ho afaka hody matetika toy ny teo aloha intsony.
Nanaiky izy, ka nanafatra ny mba tsy hanadinoako ny fandefasana vola ho azy ireo. Isankerinandro no vetivety indrindra, roa volana farafahatarany no afahako mivezivezy manatitra anjara ho an'izy mianaka tamin'io asako vaovao io.
"Tany amin’ny toerana lavitra, tany anaty kirihitra sy ala, toerana nanjakan’ny dahalo. Tena toy ny tantara re tamin’ny radio izy ireny : Tena olona mamono, tena mandatsa-drà. "
Niverina tany aho, tany amin'reny toerana nalehanay taloha foy ny mbola tao amin'ny tafika. Maromaro izahay no mpinamana tsy nifankafohy, fito lahy teo ho eo,samy tsy nahazo rengagement. Ny naha samihafa azy? Izahay indray
no teo amin'ny toeran'ireo nenjehina miaramila. Hisento angamba ianao ry mpamaky, hamadika pejy? Asanao...fa izay no tantarako, izay no tady kofehy lehibe nisintona ahy, toa namonjy ahy avy ao anaty lavaka be mangitsokitsoka. Ka na sady tady mafy namatotra ny tongotra aman-tanako aza...namonjy ahy ihany! Nanambola be tsy nety laninay telo mianaka aho isaky ny mody any an-tanàna. Niakatra ny fijerin'ny olon-drehetra ny fari-piainanay, tao anatin'ny fotoana fohy monja. Niverina ho be tambitamby sy mahakarakara ary nirehareha nohony amiko ny vadiko. Voavidiko izay rehetra tiany sy nilainy. Nampiako ny ray amandreny sy rahavaviny, tsy navelako hitsanga-menatra. Nitsiririatra ny olona, ary izaho vao mainka naneho sy niezaka nampita ny hafatra : " Mahavita azy aho, tsy misy mahasolo ahy na hahavita izay vitako teto."
Sendra nifankahita tamin'i Zafindravoay Mahasoa aho indray andro teny ampitondrana posiposy. Zanak'ilay Andriambe mpanao ody gasy sakaizan'i dada tany Ankalibe. Rehefa lasa mantsy i mama dia tao amindry zareo aho no napetrak'i Dada rehefa nandeha izy, izy rahateo tsy mipetraka an-tany iray fa mivezivezy foana ka nanahirana azy ny nitondra ahy.
Nandeha nihaza isan'andro tany antsaha no fahatsiarovana niarahako taminy, mbola kely loatra aho tami'izany fa tadidiko ihany izy. Satria izy, i Mahasoa no efa lehibebe tena mpiambina sy mpikarakara ahy. Nasiaka sy be trerona izay izy, fa mpamafa ny ranomasoko sy ny mpanala ny firingan-deloko ary mpanasitrana ny ratra teny amin'ny tongotro rehefa nianjera noho ny hapendenako aho. Nifamihina mafy izahay, ary nifampitantara elaela ny fandehan'ny fiainana. Teny amin'ny tora-pasik'i Morondava, teny ihany no nandraisako fanapahan-kevitra ny hanaraka azy hiverina any anaty ala. Maty vao haingana hono ny lehibeny ka izy no nosoran'ireo ambin'ny ékipany ho mpitondra vaovao. Lasa nandositra hono mantsy ny vatandehilahy sasany niara-niasa taminy fony maty ilay rain-dahiny, ka tsy ampy isa ny tafika. Ka dia tapaka fa izaho, sy ireo akamakama avy any amin'ny camp ihany no hameno ny laharana. Tsy dia mbola nanana fahasahiana noho izaho ihany ry zalahy, ka rehefa tonga izaho sy ny lohabeko, dia niakatra isak'izay manafika ny isan'ny omby azo. Mbola nisy heriny tsara ny TAB ka tsy nahita izany aho na olondehibe na kely voatifitro. Raha nisy fifanenjehana, izaho no nibaiko ny amin'izay fifampizaran'ny làlana any anaty akata mba tsy hahatratrarana anay. Namorona hafetsena majinika lasa fahazarana toy ny fanipazana vola majinika raviny be dia be ao aoriananay rehefa mitsoaka, mba hijanonan'ireo fokonolona manenjika tsy hanaraka ny dianay intsony. "Raha sanatria maty aho, hoyi Zafindravoay Mahasoa, dia ilikely ity no misolo ahy, resako zay". "Eka, ekena" hoy ny ékipa rehetra tsy mihambahamba mamaly. Eny, lalina izany raha ho tanisaina.
Niodina im-pito teo ho eo ny volana. Voatifitra i Zafindravoay. Rahalahiko, zokibeko no nandraisako azy. Nitomany nidradradradra toy ny zazakely aho, tsy nitomany toy izany aho tamin'ny fatin'i dada sy i Mama. Ary tsy nihambahamba avy hatrany nitazona ny teny izay efa nomeny ahy fahavelony : Izaho no hisolo azy. Lehiben'ny Dahalo Malaza tsy mitsisy ain'olona teo Morondava, Miandrivazo, Beloha sy ny Manodidina. Tsiresy Masiake, izany no anarana nanosoran-dry zalahy ahy. Tsinjoko faly ireo namako sisa mbola velona tamin'ny fifandonana farany, nisy efa-dahy mantsy zalahy no tratra, dia notsarain'ny vahoaka ka tsy voavonjinay. Toa natoky sahady izay lalana hitondrako azyizy ireo, nohon'ny hafetsifetseko sy ny hevitra marobe hitako tampoka ao anaty ady mangotraka angamba. Mainka namelona afo miredareda tato anatiko izany rehetra izany, ka dia roso ny dia. Hiverina any Ankalalibe haka hery sy hampahafantatra ilay mpitaiza anay (ilay mpanao ody gasy fitondranay manafika) hoe izaho no notendren'ny zanahary, sy i Mahasoa ho Lehibe indray.
- Milira malaky iha an-dapa ato! Hehehe! Hoy ny Andriandahy toa, faly nandray ahy, nefa toa reko misy fampitandremana sahady avy amin'ilay fiomehiny. Toa milaza amiko tsy miloaka izany hoe "Hahita tsara ialahy anio!"
Very ny hevitro...hamitaka ny maty aho sa hanao ny tsy fanao mba hahazoana harena sy voninahitra? Izaho no mpandimby! mandray ny andraikitra rehetra navelan'ny maty hoy ny mpitaiza.
Ny hatory telo andro any anaty fasana, hifanandrina amina voay masiaka any anaty rano sy ny tariny, eka ho aho, ho vita izany. Hanambady ny vady navelan'i Mahasoa mba hafahako mitantana ny fananany, vao mainka vita izany. Mandroba fananan'olona aza hatao, ka ze hanambady ve tsy ho vita? ho an'iza ireto harena be efa nangonin'i Zafimboay tao raha handà aho? He!
Fa ity sorona tsy maintsy hatao isaky ny mandeha re razako oh. Miova arakaraky ny fadin'ilay toerana ho tafihana ny sorona takian'ny Andriana sy ny zanahary. Arakaraky ny haben'ny herimpoko hono no haben'ny fahasoana ho jinjainay. Ny Herim-poko?...hatraiza? Nahagaga fa fony mbola teo ambany fahefana aho, tsy nanana fo hantra, tsy nahatadidy ho nalahelo an'izan'iza, tsy nifadi-trovana. Fa teo, no nahitahiko ny tarehimarika nasehon'ny mizanan'ny herimpoko. Malemy aho!

Hametraka hevitra
Midira aloha