…HELOHY…(tohiny 3)(misy pejy efatra : 4 ) (MAZ RAMANA)

Mpanoratra MAZ RAMANA
Nampiditra MAZ RAMANA
Nitsidika 27
Mpanoratra MAZ RAMANA
…HELOHY…(tohiny 3)(misy pejy efatra : 4)
Pejy 4
Tsy nampiseho tamin-dry zalahy ho sahiran-tsaina sy mitebiteby aho. Na i Andriambe aza tsy nanehoako fisalasalana na kely vary iray venty aza rehefa avy niteny tamiko hoe :

- anak'ampela an'olo vahiny, telo taona no midina, izay no sarako hoy ny zanahary! Misy ambaniandro mahery vinta amin'ny tany hombanareo io, ka mila hotàna ny heriny.

Saika hanontany azy ihany aho hoe : Angaha tsy mety raha tonga dia io olona lazainy mahery vintana io no jerena mialohan'ny hanafihana dia vonoina...fa navadiko ny lelako, sao izy lasa hanana ahiahy ny amiko sy ny fahasahiako. Nekeko ary ny teniny, dia lasa aho nivoaka, nanao veloma andry zalahy vantany vao vita levina ilay namanay, dia nanjohy ny làlako nody toy ny fanaoko isaky ny vita asa. Nanidintsidina toy ny lolo ny tenako mandrapahatonga tany antanàna. Aiza no hahitako zaza vavy kely telo taona ? Dia rehefa hita dia, izaho ve no handatsa-drà azy? Mbola nanampy aza ilay ingahibe iny hoe hatono ny nofony ary tsy maintsy hihinanay tsirairay avy, fa tsy ampahafantarina an'ireo namako ambiny hono, afahana azy amim-pitaka?

Nitraka nijery ambony aho dia...niodina ny tany aman-danitra, fanina aho! Nitady maloka haingana hipetrahana fa sao ny hafanana no miakatra ka manomboka tsy zakako. Dia tsinjoko avy lavidavitra...ilay tanim-bomanga anay sy dada fony izahay mbola nipetraka teo Ankalalibe. Ankalalibe, ilay hany azoko antsoina hoe : Tanindraiko! Nilatsahan'ny tavoniko sy mitahiry ny fahatsiarovako mamy rehetra.
Rehefa maina ny tany, tsy nisy vary, tsy nisy vola, nihato ny tsena, dia io tanimboly kely voahodidina goavy io no namonjy anay sy i dada indray andro izay. Ngozalahy be ny bageda avoakany ao ka mahatratra mitovy amin'ny hangezanan'ny totohondrin'olondehibe anakiroa mitambatra ny habeny rehefa vokatra. Fa tsy fotoana fahavokarany tamin'izay satria tsy niakatra mihitsy ny rano indray taona, simba daholo ny fambolena, ny orana tsy nisy. Nilalao teo amin'io taimboly io aho,nonongotrongotra raviny sy tahony, saika hotsakotsakoiko, no somary nahasintona mafimafy, ka nipoitra avy any ilay vodiny lehibebe iray. Avy dia nentiko nody tany antrano dia nitadiavako kitay malaky be, nandrahoiko, sady niandriandry an'i dada avy any antsaha aho, fa nandeha niremby tany mantsy izy.

- Inona ry lehity ity tanehan'ialahy ity?

- Nahita Bageta ngodabe tery antanimboly aho dia io nandrahoiko io.

- Hay, ao hoe sokafy kely ho jereko?...ngadalahy marina lehitsy! Soa ihany ialahy nahita an'io izany! Tonga dia hano an'ialahy irery io rehefa masaka, fa izaho efa voky be tany.

- Dia tsy mba nitondra ho ahy akory izany ity i Dada kanefa voky tany? Inona no nohaninareo? Iza avy? hoy aho sady somary niavona.

- Bibin-tsaonjo lehity no natonon'ilay mpamosavy lahy izay dia nanomezany kely aho fa noana ah!hahaha, Sa ialahy nihinana raha nitondrako an'izany?

- Koratsy maty mosary aho koa! Izaho aho izany ity hihinana bageda, ataoko inona bibin-tsaonjo!!!?

- Tsara lehitsy ah, efa mianatra mamelon-tena ialahy dieny izao izany, i dada tsy ho eo foana koa! hehe!

Tsy tapitapitr'izay dia, renoky ny torimaso teo i dada, tsikaritro efa misy dian'ny main'ny taninandro ny tavany, ny tongony mibiloky ny dia antongotra. Ny vomangako mbola tsy masaka. Neveriko ho tena mba marina daholo ny resany tamin'iny andro iny, fa elaela kely aho vao tonga saina nandinika azy reraka dia reraka natory teo. Tsy te hifampizara tamiko izy fa tiany ho izaho irery no hihinana an'ilay vomanga, satria efa hatry ny omaly hariva mantsy zahay mianaka ny tsy nahita sakafo, nandry fotsy, zara raha natory. Tsy nahita n'inon'inona izy tany amin'izay nalehany tany, fa izaho no tsinjoviny, di naleony izy ihany no mbola tsy hihinana,toy izay izaho no tsy ho voky.

Masaka ilay vomaga dia, nohaniko haingana ny antsasany, izaho rahateo efa ramaka loatra. Eo ampihinana aho no nisy nandondona tao am-baravarana.

- Efa matory i Dadanay oh! Hoy aho nitsamotsamona ny vomanga tao ambavako.
- Inty raiso aloha, kafe nangatahan'i Dadanareo teo fa mbola tsy vita izy teo nefa izy tonga dia lasa. Izao ve dia matory sahady ry Dadanaivo?
- Hay, aleo fa fohaziko izy hisotro! Sady vao mafana tsara izy izany.
- Eka, vao vita vao izao iny hoaho!
- Misaotra betsaka r'ilay Zafimboay be ity ah! hoy aho nisangy sady niomehy. Dia niara-nivanitika teo aloha zahay roalahy, taitra tampoka indray i Dada, dia rafitra nitsoaka ilay Zafy.

- Ento aty ho sotroina ilay kafe sao hangatsiaka r'ilay voay isany ireto ah!...Ary angaha voky ilahay no nomena ahy indray ity vomanga?
- Efa laniko ilay iray ngozalah be teo fa naterin'i Zafy teo niaraka tamin'ny kafe iny nomeko an'i Dada iny kah!

Tsy namaly izy, fa nihinana, dia nisotro, dia niverina nidaboka! Faly kely tany am-poko aho nahita azy mba nanaiky hihinana ihany. Nantaoko nanampy ny kiboko ny nahalala hoe mba samy nihinana na tsy dia voky aza, fa mba samy mbola velona aloha na hifampijrerijery fotsiny eto aza.

- Marary be izany izao ny lohan'i dada fa tsy misy sigara oh? sady niomehy aho nananihany fa diso nahafinaritra ahy loatra iny harivanay mianaka, ka mba tiako nofaranana tamin'ny tsikitsiky.
- Ndeha ialahy matory ilay be lelo ity fa efa hita fa tsy misy mbola manadroandro olona ihany! Tsy hanam-bola eo aho angaha fa pololorako sigara ato ialahy, tsy avelako mivoaka fa saromako ato anaty lamba ato. Dia niara niomehy indray, ary samy renoka hoazy avy eo rehefa avy niara nitanisa izay mba tsaron'ny vavanay rehefa ho avy nyandro hananan'i Dada vola indray.

Izy no olona fantatro sy azoko antoka fa tia ahy indrindra teto ambonin'ny tany. Toy izay tsapako amin'ny Herimasy zanako...sy izay tsapan'ny ray na reny niteraka ilay zaza ho tadiaviko...hataoko sorona hoan'ny fanafihana manaraka.

Mbola nanampy trotraka koa i Mélanie rehefa tonga tany antanàna aho. Nitsoraka nandohalika teo amin'ny tongotro sady nigogogogo nitomany niangavy ahy ny mba hijanonako amin'ny asako, fa aleony ihany hono aho mijanona eto antanàn-dehibe manomboka izao, na tsy ho azy vadiko aza hoy izy fa ho an'ny zaza.

- Fa taiza no nahalalanao ny anton'asako amin'izao? hoy aho gaga fara-tampony sady nampitsangana azy. Namaly izy fa ny sasany tamin'ireo namako mpiara-miasa amiko ihany no nisy sendra nandalo teto nanadala azy:
- "Ambilao agny hi, efa lehibe any hi agny, lehiben'ny Dahalo zao tsa raha handany fotoana aminao aty koa, efa nandova vady be ndraiky harena maro an'i Zafimboay olo lazainao valinao zao. Aleo zaho hisolo valinao zao, karakaraiko soa iha, sady zaho fa tsy hipoly agny koa, fa nahita asa vaovao raho."

Kepoka aho! "Sady efa namadika ny fikambanana ialahy, mbola ny vadiko koa no tsy hahaizan'ialahy miaina? Ahy ialahy raha izaho no tafaverina any anio, ndao moa!!!"

Nisy namadika anay tamin'ny fotoana tsy fantatra izany ny bandy tao anaty fikambanana. Efa voady nifanatrehana tamin'ny zanahary sy ra nafatotra niaraha-nisotro ny tsy hamoaka izany resaka izany na amin'iza na amin'iza. Koa satria ny vady aman-janako aza efa nahalala, tsy maintsy efa miparitaka izany ny feo.

Tezitra aho, nisafoaka satria very fihinànana. Tsy nahavita n'inon'inona aho nandritra ny indray andro sy tapany. Vaka dia vaka nandinika indray izay mety hiafaran'ny fiainana...hanohy sa hijanona?

Nisy zaza nilalao indrindra teo antokotany, raha izaho mbola lasalasa saina nifoka sigara teo iny...dia nahatsiaro an'i dada aho, ny fitiavanay mianaka, ny fitiavako ny zanako...

Tsy maintsy efa any anaty lisitry ny mpitandro filaminana ny anarako raha hisy didy fampisamborana, efa niharihary ny nafenina. Nandinika elaela, dia tapaka ny hevitro hoe : tsy hiverina any intsony aho na inona ho fidonany, na inona mety ho vokany. Hiverina anaty fiaraha-monina aho, hiverina hitondra posy sy hibata gilasy.
27

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0082