Felam-boasary (Imbitika Rambala )

Mpanoratra: Imbitika Rambala
Nampiditra: imbitika
Nitsidika : 840
Sokajy: Sombin-tantara
Tantaran'ankizy, ao amin'ny Eri-maso 4.
FELAM-BOASARY

Amin’ny iray ora tolokandro, midanika ny masoandro, savolaina be ihany ny zavaboary, ampipararetin’ny hafanana ny ravina, tanehin’ny eton’aratra ny faratazana ka mivoa-tsetroka manga ny tontolo, makiana ny bozaka mandrakotra ny tanety, na ireo omby aza tsy maharaoka intsony ka mitoveraka mandinika ny azo hatry ny naraina. Rendremana ny voary, afa-tsy i Solokely avy nianatra teny amin’ny sekolim-panjakana eny Ambinany kaominina, mailamailaka ery izy fa hody ao Andemaka ka mamakivaky samy irery ity tanety donainan’ny hain’andro.
Zazalahy eo amin’ny fito taona eo i Solokely, iny izy irery mamakivaky ity tanety mila hivoaka afo nefa toa tsy miantraika aminy akory ity andro migaingaina. Valala vitsivitsy sisa manidintsidina etsy sy eroa mitady ahi-maitso kely, nahita ireny i Solokely ka navelany ny kitapony ary dia rifatra nanenjika.
Ny aron’akanjony moa efa makarakara sy mivolon-tany matsatso ka mifangaro amin’ny lokon’ny bozaka, koa dia ny volon-dohany mainty sisa ahafantarana azy mivezika eran’ny tanety. Feno aina, matanjaka ary kinga ery i Solokely mandry ilika misambotra ireo valala. Feno ny tanany vao niverina naka ny sandrifiny izy ary dia nanohy ny diany hody, tsy ahoany ny hatsembohana amin’ny tavany fa nofafany amin’ny tanan’akanjony havia, ny tanany havanana kosa mitsintsina ny kitapo misy ireo remby vao.
Rehefa nandalo ilay alam-boafotsy alohan’ny hiditra ao an-tanàna izy no naheno hehin’olona mikarantsana, taitra izy ka nitsangana ary rehefa nanongilan-tsofina dia fantany fa avy ato ankavian-dalana ireo olona miresaka sy mitokelaka mitsitapy. Nojokoiny ka indro tazany i Bao izay avy eo an-tanànany ihany sy i Dafy avy ery amin’ny tanàna ampita atsinanana mitombina sy mifampisangy eo amin’ny aloka voafotsy mandrobona. Gaga sy variana izy mahita azy ireo saingy natahotra ihany koa, kinanjo raha iny izy nitsangana ndeha hiverina iny no tazan’i Bao : « Solokely !.. fa maninona eo ianao ? » tsy nahahetsika i Solokely no sady tsy nahavolana fa raiki-tahotra. « Avia eto, hoy i Bao, avia re ». sady natsotran’i Bao ny sandriny horaisin’i Solo ; nanatona tsy fidiny i Solo ary nandray ny tanan’i Bao. Nosintonin’i Bao hipetraka izy dia tafatombina teo akaikiny, sady nanafosafo ny lohany i Bao no nanontany azy :
« avy nianatra angaha i Solo ?
– ie
– dia i Solo sy iza no miaraka mody ?
– izaho irery
– ity ny kitapon’i Solo ?
– ie
– noana be izany ?
– ie
– mandehana ary mody misakafo, saingy izao a..aza milazalaza amin’olona hoe nahita anay
– ie
– afaka matoky an’i Solo ve aho ?
– ie
– mandehana amin’izay àry »
Nitsangana i Solokely dia rifatra nody, tsy nisy tao an-tsainy intsony izay valala hatono hatao laoka. Izy roa kosa nanohy ny dinika entina hanatanterahana ny fangatahana sy ny vodiondry izay hatao atsy ho atsy.

Andemaka, tanàna fonenan-dry Solokely... iray amin’ireo fokontany mitsitokotoko mamorona ny kaominina Ambinany ; fambolena sy fiompiana no antom-piveloman’ny mponina ao ary izany fiompiana izany no mba andraikitr’i Solokely rehefa tsy mianatra.

Mbola hitohy

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha

#1 05/11/2022 15:37:28
Mankasitraka fa tsara be !