ILAY DIARY MAINTIN'NY NENY (RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé))

Nitsidika : 2636
tohin'ilay tantara "ilay diary maintin’i neny"

i Bary sendra naka dokotera iny anefa dia efa nihakely ny ain'dramatoa Rasendra, ary mandrapahatonga azy sy ny dokotera nalainy dia efa tapitra ny ainy. ka toy izao indray ny tohiny.

iny rehefa niditra ny trano iny i Bary dia indro ny mamany efa mianjera niala teo ambonin'ny fandriana nametrahana azy ka hoy i Bary izay somary taitra ka niazakazaka niantsampy teo aminy ka hoy izy : " neny a! neny a! mifohaza ianao e, efa io ny dokotera fa mitsangana amin'izay e, oay ary toa efa mangatsiaka ny vatany ry dokotera a! neny a! dia ilaozanao sahady aho izany?" sady mitomany tsy laitra nampanginina ny lehilahy, ka hoy ilay dokotera taminy :" mahereza r'ise a, efa tsy namantsika intsony izy, mitraka fa lehilahy ny tena, ary izao koa no anjarany!", dia hoy izy nanontany an'ilay dokotera : "fa inona no aretina nahazo azy dokotera a?", dia hoy ilay dokotera namaly azy :"areti-po no nahazo azy r'ise a, ary efa somary elaela ihany no naharariany tato f'angaha tsy tsikaritrao ho hafahafa ny mamanao ry tovolahy?", dia hoy izy namaly azy :"tena tsy nahatsikaritra izany mihitsy aho tompoko, fa izy aza natanja-be foana hatramin'izay no hitako, sady tsy mba narefo ara-pahasalamana izany mihitsy koa izy, ary izy rahateo tsy mbola niteny tamiko marary izany raha tsy vao izao !" dia hoy ny dokotera :"eny e, sarotra fantarina tokoa aloha lay izy e ! Fa nijanona tampoka ny fony dia izay no nahatonga ny fahafatesany", dia hoy i Bary sady nitomany:"lasa ny reniko dokotera, very aho, neny a! miverena re ianao e, aza avelanao irery eto izany aho e!" neny a!" tao aoriana kelin'izay dia niantso an'i Anja tamin'ny findainy izy, izay olon-tiany taorian'i Rindra, afaka kelikely dia tonga tao an-trano i Anja ka hoy izy :" fa misy inona ry Bary a?" dia hoy Bary namaly azy:"maty i neny ry Anja a, zay aho vao tena very e (sady mitomany), izay aho vao tena kamboty ray sy reny e! Dia inona intsony moa ny amiko ry Anja !" dia hoy i Anja:" aoka izay malala a, mbola eto aho hanampy anao e, aoka izay", dia nangina i Bary, i Anja anefa manana saina ratsy kely izay any an-tsainy any ka hoy izy aneritreritra:"hmmm, maty ihany ity Rasendra marina, miseho mamefimefy ny fiarahanay loatra koa, izao nodimandry any amin'ny varo-tsy mifody, zarako mihitsy koa io maty fa manelingelina fotsiny e". i Rindra kosa anefa raha vao nandre fa maty ny renin'i Bary dia nalahelo azy mafy indrindra, satria folaka andry niankinana i Bary ka kamboty ray sy reny sahady, tonga nankahery an’i Bary kosa i Rindra na dia efa nisaraka aza izy roa, i Bary rahateo mbola tia azy fa saingy mbola tsy afa-manoatra aloha hatreto.

Telo volana taty aoriana dia nitohy teny ihany ny fiarahan'i Bary sy Anja ka efa nikasa ny hanori-tokantrano mihitsy aza izy roa ireto, i Bary rahateo koa efa miasa ka nikasa ny hampiaka-bady azy. Saingy nanomboka teo anefa no niaina tao anaty horohoro tanteraka izy roa ireto satria nanomboka niseho sy nanangatra i Rasendra reniny, mbola tsy vita fomba ara-panambadiana anefa izy roa ireto fa mbola an-dalam-pikasana ny hiroso ny amin'izany, ary tao amin'ny trano izay nipetrahan'i Bary no nipetraka izy roa ireto.

Isaky ny alina no isehon'dramatoa Rasendra amin'i Anja izay alany rahateo ka nampijaliana mihitsy vao nalàny taminy ny ainy ka toy izao indray ny fisehony ny tantara.

Avy nandeha namonjy aniverseran'i Rindra izy roa ireto ka somary alina vao tonga tao an-trano ary somary reradreraka ka tonga dia namonjy fatoriana, indrindra fa i Bary, i Anja kosa mbola nanao douche kely vao mba hamonjy fandriana ka tao amin'io douche io indrindra no nisehoan'i Rasendra taminy, injany nisy rivotra maherihery sy nifofofofo mafy tao ka dia hoy i Rasendra tamin' i Anja : (miomehy) hahaha, ity ikala tsy vanona ity fa tratrako, ny fisin-tena io mihitsy no nahafaty ahy ka dia tsy amelako eto tena anio, hahaha, tadidi-tena moa ny nandrarako an-tenisany tsy hiaraka a, nefa mbola natao tenisany ihany? Ary tena koa ry Anja vehivavy mpihatsara-velatsihy fotsiny indrindra fa teo imasoko." natahotra mafy i Anja ka niantso vonjy tamin'i Bary, Bary anefa efa resy tory kely tao, ka hoy izy :" Bary a, Bary a, vonjeo aho, Bary a! Aiza ianao e? Mifona re tompoko o! Mifona re e!" sady nitomany izy no nikiaka mafy niantso an'i Bary, ary tsy nisy nahare ny antsoantsony na dia tany ivelany aza. Fa i Rasendra kosa niteny mafy aza :"hita tena ity boky mainty ity! Izay voasoratra ato anatin'ity dia tsy maintsy manaraka ahy ary isan'izany tena sy ilay i Rindrarindra naman-tenisany iny! Fa i Anja kosa nifona taminy teo foana :"mifona re tompoko o! Mifona e! Mandehana, mandehana re tompoko o", raha vao naheno izany anefa i Rasendra dia nofelahany mafy i Anja ka hoy izy :"izaho ndray ve r'ikala kely ity noroahan-tena ato an-tranoko a, hahaha, iny ny any 'ty! Tsy mahay miaina a!», dia torana tao anaty douche tao i Anja ka tsy nahatsiaro tena, ka dia lasa i Rasendra tsy mbola notaperiny aloha ny ainy ka hoy izy: "izay fa torana mbola tsy taperiko eto aloha ny ain'ity fa mbola hoavy aho amin'ny manaraka! Hahaha mandrapihaona r'ikala totom-bintana ity fa mbola ho avy eto aho amin'ny manaraka a".
Afaka kelikely dia taitra i Bary ka niantso an'i Anja:"Anja a! Anja o! Fa lasa aiza ary izy teo sady toa tsy natory teto akory" niezaka niantso hatrany fa tsy nisy namaly, ka lasa nakany amin'ny douche, dia tazany nitsirara tamin'ny tany ka hoy izy: "Anja a, fa naninona tato ianao e, jere ny tarehinao toa maratra sy mangana? Anja a!", nony indray nihiratra ny masony ka niteny tamin'ny feo malefaka:"i Bary a, marary aho, marary be ny lohako!" dia niverina nikipy ny masony;

mbola hitohy
raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha

#2 17/05/2020 05:44:01
mamaky finaritra tompoko o!
#1 17/05/2020 05:36:28
Mahafinaritra. Hamaky azy miaraka amin'izay