AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 11
Nisy ny fotoana izay niakaranay sy nanitsahanay ny Rovan’Ambositra voalohany indrindra teto aminay taranak’i dada, tao anatin’izay 40 taona izay , ary koa nanitsahana an’Andriamamahana . [ Tsy nanitsaka ny fasan-drazana tao Akrokana kosa anefa izy mianaka fa niandry tery amin’ny arabe ambany , tsy noho ny tahotra fa noho ny fanajana , amin’ny maha hafa firazanana azy fotsiny ..., na dia izany aza anefa dia nahazo tso-drano tsara avy amin’ireo ray amandreny izy : Hoy mantsy i Dadabe RALAIVAO Emilson : « Ianao…ianao anaka no vinanto voalohany tonga taty aminay, sady zanaky ny zafikely voalohany amin’izy rehetra ». Izaho nanoratra sy nikaroka ny tantara mantsy no zafikelin-dRandrianarivo Emmanuel, zafiafin - dRalaivao Emmanuel , voalohany indrindra ihany koa. ( Matory eo am-pandriana efa reraka io ray aman-dreny be io tamin’izahay nitsidika azy io ).]Izay ny amin’iny fa raha hiverenana kely ny namindrana ny razana ho eny Akrokana. Iray volana mahery be izao no fe-potoana nomena, notetezina avokoa ireo taranaky Ramanandravola rehetra, momba ny hamindrana azy.
Vahoaka maro tokoa no nanatrika teo, na olona ambony teo amin’ny firenena na ny tompon’andraikim-panjakana tao Ambositra, Sivily sy manamboninahitra miaramila ary ireo manam-pahefana isan-tsokajiny. Volana Aogositra tamin’izany, fotoanan’ny erika ka nanerika ny andro. Notombohin’Ingahy Ralaivao Emmanuel ny tany, nisava ny andro ary dia niroso teo amin’ny famindrana ireo razambe ny taranany. Roa ihany no nambara tamiko momba ny fasana dia ny ao Akrokana sy ny eny Ambalamahasoa. Ny isam-pianakaviana anefa dia samy manana ny fasany avy. Eto dia ialana tsiny raha misy razana tsy voasoratra noho ny fahateran’ny mpitantara, amin’ny fotoana mahamety azy dia asiana tovana ity boky ity ; koa eo ianareo fianakaviana hanampy ny tsy ampy.
Ny fasana ao Ambalamahasoa :
Io dia fasam-bato lehibe ka ireto ny razambe milevina ao :
Rafaralahy Emmanuel = Nipoitra avy aminy ny fianakavian’i Dada
Ravelona = nipoitra avy tao ny taranaky Ravelontsalama Andrianarivo
Ralaikamisy
Ny fasana ao Akrokana :
Izay fasana lehibe manana ny tantarany izay voalaza tery aloha ; Ireto koa no milevina ao :
Ramanandrovola
Rajoseph
Ralaivao Emmanuel = Raiben’i Dada
Rakotofaralahy
Randrianoelina
Razakarison
Hametraka hevitra
Midira aloha