AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 9
Ny « Gite d’Etape » ankehitriny dia valan’ombiny, toerana saro-pady izy io na tamin’ny androny na amin’izao fotoana izao, ary avy amin’io lozoka voalaza teo aloha io no miditra sy mivoaka ireo ombiny ireo , ary ny mpanompony ihany no tompon’andraikitra amin’izany, izay entin’izy ireo ho any atsimo mba hiraoka ahitra. Ampanidy , io toerana hiandrasana ny ombin-dRamanandrovola io ka rehefa hariva kosa ny andro , dia teo amin’ny toerana misy ny « Residence » ny andriana no nanisa ny ombiny.Ralango zanany lahimatoa, izay nahavery anarana ny rainy dia namonjy an’i Lohalambo ao Ambahinaondry , izay nanorenan-dRaonivelo sy Renikibo zanany sy zafikelin-dRamanandrovola ny fonenany. Io Ralango io dia niray fasana tamin-dRainy, tao Akrokana, ambanin’ny fasam-bahiny fa taty aoriana dia nalain’ny taranany. Io fasana io dia misy vatolampy iray lehibe misy haavo 4 na 6 metatra eo ho eo, ary ny sakana manodidina azy dia tsilo izay mirefy eo amin’ny 2 m. Ny haben’ny vato kosa dia sahabo ho 2,500 m eo ny sakany ambony ary 4 m kosa ny sakany ambany, milanja 6 taonina . Tao anatin’ny 8 taona vao vita io fasan-drazana io , ary namonoana omby iray isan’andro ; izany hoe : omby 2920 izany no maty raha 365 andro ny taona iray. Ankehitriny noho ny taranaka maro efa nanambady foko hafa dia nanam-pikasana ny hanao lavarangana ny taranaka ireo raiamandreny mbola velona, rehefa miala ety an - tany ka hody vovoka. Ny atao hoe : Lavarangana mantsy dia hotovanana fasana vaovao ety ivelan’ilay fasam-bato lehibe io .
Tamin’ny taona 1942, dia tonga teto Ambositra Atoa « Layette » izy dia lehiben’ny distrika ( araka ny filazan’Atoa Rakotorahalahy Joseph avy ao Ambohimiadana, taranaky Ralango) fa i dadabe Ralaivao Emilson , kosa dia nilaza fa Atoa « Turckee » no lehiben’ny distrika tamin’io taona io ihany, izy dia taranaky Rafaralahy Emmanuel , samy zanaky Ramanandravola izy roalahy ireo fa ny iray an’ny lahimatoa ny iray kosa an’ny faralahy ; izany hoe : zafiafin-dRamanandrovola na Atoa Rakotorahalahy avy ao Ambohimiadana na i dadabe Ralaivao , avy ao Sud Caserne.
Namoaka didy ny fanjakana mba hanaisotra ny razambe rehetra tao Akrokana eo ambany andrefan’ny tanànan’i Manarintsoa , fa ilain’ny fitondram-panjakana frantsay , izay nifehy teto Madagasikara ny tany, mba hanorenana fasam-bahiny. Niady ihany Rafaralahy Emmanuel , fa tsy nahatosika ny didy ny anao lahy tsaroany anefa ny tenin-drainy nanao hoe « tsy miala tato aho raha tsy tendrim-panjakana » . Nanomboka tamin’io taona 1942 io , dia samy naka ny azy ny taranaka rehetra, ka Ralango araka ny voalaza tery aloha dia nalain’ny taranany ao Ambohinaondry, ao izy no milevina ary tsy nahetsika ao intsony.
Hametraka hevitra
Midira aloha