Etymolojia Malagasy (Azrael)
Ny fiforonan'ny teny Malagasy dia matetika tsy mandehandeha ho azy...
Pejy 1
Hoy Aristote:"Amicus Plato, sed magis amica veritas";izany dia azo adika hoe: tiako Platon,saingy tiako kokoa ny fahamarinana (na ny marina).Mamerina ny fikarohana mikasika ny teny Malagasy aho ankehitriny ka tena mahita fa hay maro ny zavatra diso nampianarina antsika fahiny! Ary ankehitriny koa dia mbola betsaka no mampianatra sy mivoy zavatra/fampianarana diso "fanahy iniana".Tononiko anarana eto i Ankoay mpanao fandaharana HAVOTAFO ao amin'ny Kolo TV isaky ny Alahady amin'ny 5 ora hariva: tamin'ny voalohany dia nahasarika ahy ny fahaizany mandaha-kevitra sy ny famakafakana ara-tantara nataony, ary tena miaiky aho fa mahay tokoa izy! Saingy asa na rehefa lasa "star" ny olona, dia manjary "Gospel truth" ny zavatra lazainy, fa manjary "discours d'un Gourou" no re amin'ingahy Ankoay ankehitriny, sady toa manjary miteniteny foana!Reko siosion-dresaka fa anthropologue izy, ka tsy hihambo ho manam-pahaizana noho izy aho.Saingy na izany aza dia hitondra porofo maro eto aho fa misy zavatra tsy izy mihitsy teneniny
Hametraka hevitra
Midira aloha