Etymolojia Malagasy (Azrael)
Ny fiforonan'ny teny Malagasy dia matetika tsy mandehandeha ho azy...
Pejy 4
-MAMBA (voay io!): Mamba (swahilli,bantou)=mahafaoka ireo reptiles goavana toy ny voay,bibilava,androngo-TSINY: JINN (Arabo)=FANAHY RATSY. Nahazoana ihany koa ny "manan-JINY".Noho izy fanahy ratsy (devoly) dia natahoran'ny Ntaolo fatratra ka nahatonga ny 2/3 @ kabary ho feno fialan-tsiny.
-VONINAHITRA: Vony+ahitra=teny malagasy roa natambatra.Noheverin'ny Ntaolo fa manaja ny vonin'ny ahitra na ny ahitra mamony ny omby raha tsy nety nihinana ireny.Ny marina anefa dia tsy tian'ny omby ny ahitra mamony satria mampikohaka azy ny vovom-bony.

Hametraka hevitra
Midira aloha