Etymolojia Malagasy (Azrael)

Mpanoratra Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 8
Mpanoratra Azrael
Ny fiforonan'ny teny Malagasy dia matetika tsy mandehandeha ho azy...
Pejy 2
Ohatra:MITAHY.Lazainy fa "mita+ahy" no nihavian'io teny io.Nanontany Akademisiana iray aho ka nilazany fa tsy marim-pototra io etymolojian'i Ankoay io sady tsy misy heviny mihitsy ny hoe "mita ahy", farafaharatsiny hoe "mita amiko"!
Ohatra 2:KARAMA dia avy amin'ny teny Sanskrit hoe KARMA! Mbola Akademisiana ihany no milaza fa kitoatoa loatra ity hevitra ity.Ny karma dia midika hoe TROSA, kanefa ny karama malagasy dia VALIN-KASASARANA! Ny teny Swahilli hoe "Karama" mihitsy no nihavian'io teny io!..
Misy "mauvaise foi" mihitsy amin'i ANKOAY HAVOTAFO satria tsy azo inoana hoe tsy fantany izany (satria anthropologue izy), saingy IREO ETYMOLOJIA FAOPLA IREO NO MIFANARAKA KOKOA AMIN'NY TEORIANY!
Manasa anareo mpahay tantara aho hiteny sy hanitsy ireny fampianarana diso ireny, ianareo Akademisiana koa, fa tsy misy sahy manitsy izy dia "rara dia rara". Te hanamarina "à tout prix" ny finoana gasy ingahy Ankoay, ka miasa daholo na Baiboly, na science, na occultisme, na ETYMOLOJIA FAOPLA.
8

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1346