Fomba (jentilisa) Malagasy (AZRAEL)

Mpanoratra AZRAEL
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 24
Mpanoratra AZRAEL
Fanidim-pasana, havozo, ody varatra, sns...
Pejy 1
Ny Malagasy razantsika dia tena "connecté" tamin'ny tontolo ara-panahy ny androatokom-piainany. Nisy lafitsarany betsaka izany, satria nampirindra ny fiaraha-monina, ary niteraka tahotra an'i Zanahary (Andriamanitra). Tena nilain'ny fiaraha-monina tsy mbola nahatongavan'ny fahazavan'ny Filazantsara tokoa izany fahiny.
Rehefa nandray ny Kristianisma ary isika, dia aleo tsorina fa tsy azo afangaro aminy ny ankamaroan'ireo fomba Malagasy taloha. Manjary mampihatra ny atao hoe: syncretisme na fampifangaroam-pivavahana izany.
Santionany ireto hotanisaiko ireto:
-Ny fanaovana hazarin-karena: rehefa te hanan-karena ny olona iray, dia matetika manatitra fanatitra amina vazimba na kalanoro (akoholahy mena, tantely, bonbons gasy, toaka, sns.), ary atolony ho fananan'ilay zavatra tompoiny ny zanany iray mbola am-bohoka (tsy vonoina akory fa tezaina). Raha mandaitra ilay hazarin-karena, dia matetika ny zaza anaovana hazarin-karena dia sampona sy saozanina na farofy rehefa teraka.
24

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0126