Fomba (jentilisa) Malagasy (AZRAEL)

Mpanoratra AZRAEL
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 27
Mpanoratra AZRAEL
Fanidim-pasana, havozo, ody varatra, sns...
Pejy 3
-Tsy azo hofaina ny vary hohanina rehefa misy fahafatesana, ary ny laoka tsy azo asiana sira: hanim-boretra tanteraka!
- Rehefa manao didim-poitra dia hohanin'i dadabe anaty akondro ny lohan-tsintsina: mihinan-kinam-poana!
- Rehefa manao sarotra ny mpiteraka, dia hakàna vovoka indray mitsongo ny zoron-trano efatra, dia araraka amin'ny rano iray kaopy, ary asaina sotroiny fa izany hono no fanafodiny!
-Tsy azo tsilovina amin'ny jiro na lampy hono ny sakay maniry rehefa alina, fa na tsy maintsy maty io, na tsy mamokatra intsony
-Ny mpisipa mampiaraka eny Andraikiba na Tritriva hono dia tsy maintsy misaraka, ary tsy ho mpivady mandrakizay (fady hampiarahana izany eny!)
-Fady ny mijery fitaratra amin'ny alina, fa mety ho matoatoa no hiseho eo fa tsy ny tandindonao
-Mandika afon-taratasy dorana eo ambaravarana, vao miditra an-trano rehefa avy nandevina, fa sao arahin-dolo, hono!
-Fady ihany koa ny manohy ny dia, raha sendra nisy voalavo na bibilava nandika lalana, fa fambara loza hono izany
27

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.01