Fomba (jentilisa) Malagasy (AZRAEL)
Fanidim-pasana, havozo, ody varatra, sns...
Pejy 2
-Ny fanidim-pasana: ambolena vahona sy andevenana fanalahidy eo antokotanim-pasana rehefa avy nanaovan'ny mpimasy fomba. Ny vahona moa dia firariana mba "hangidy lavitry ny faty" ny tompom-pasana.-Ny fanaovana vona rehefa misotro "rano tsy fantatra": ny mpandeha dia an-tongotra na mpitsangantsangana eny ambanivohitra rehefa reraky ny lalan-davitra dia mety hisotrosotro rano atahorana ho ranom-bazimba. Ka alohan'ny hisotroana dia avoina kely ny lohan'ny bozaka eo akaikikaikin'ilay rano sotroina, no sady miteny hoe "ny alina no fanjakanareo, fa ny antoandro iaraha-manana", dia izay vao misotro. Izany dia fisorohana mba tsy harahin-dolo, na haolan'ny vazimba ny hatoka!
-Fady ny mikororoka vary raha mbola tsy voajinja avokoa ny vary, toy izany koa ny maka ravin-dahasa (hazon-drano fanamboarana tsihy), ny mitsoka sobaba (fililiotra kilalaon'ankizy), fa mampilatsaka havandra hono!
-Mianatsimo loha rehefa matory
-Manondro fasana (mahaboka tanana hono)
Hametraka hevitra
Midira aloha