L'objectivisme-Philosophie d'AYN RAND (Elysé Azrael)
Ayn Rand: Filôzôfa vehivavy Amerikana, mpitolona ho an'ny fahafahana sady "Sojaben'ny foto-pisainana Amerikana".
Pejy 1
Ayn RAND dia vehivavy filôzôfa amerikana tamin'ny taona 50 (dans les années 50, i.e. aux environ de 1950) teo ho eo. Jiosy avy any Rosia no tena fiaviany, ary Alissa Zinovievna Rosenbaum no tena anarany, saingy novainy Ayn Rand rehefa nipetraka tany Amerika izy, noho ny fandosirany ny fanenjehan'i Staline ny Jiosy tany Rosia.Manarakaraka ny Baiboly, dia ny boky nosoratany antsoina hoe "ATLAS SHRUGGED" amin'ny dikanteny fototra (en français LA GRÈVE), no boky faharoa famakin'ny Amerikana rehetra! Izany hoe anisan'ny mpanefy ny toe-tsaina sy ny soatoavina amerikana, ka mahatonga azy ireo ho laharana voalohany maneran-tany amin'ny lafiny rehetra (économie, militaire, politique, culture...) i Ayn Rand sy ny ATLAS SHRUGGED nosoratany!
Mampametra-panontaniana anefa izao: nahoana isika tamin'ny nianatra filôzôfia no tsy mba nampianarina an'izany Ayn Rand izany? Ary tsaroako aza fa toa tsy nisy filôzôfa vehivavy nianarana mihitsy tamin'ny Kilasy Famaranana!
Hametraka hevitra
Midira aloha