L'objectivisme-Philosophie d'AYN RAND (Elysé Azrael)
Ayn Rand: Filôzôfa vehivavy Amerikana, mpitolona ho an'ny fahafahana sady "Sojaben'ny foto-pisainana Amerikana".
Pejy 4
Raha tsiahivintsika, i Atlas dia ilay andriamanitra amin'ny angano grika voalaza fa mitazona ny lanitra tsy hianjera avy eny an-tsorony. Ny dika ara-bakitenin'ny hoe Atlas Shrugged dia hoe "manala ny entana (i.e. ny lanitra) teo an-tsorony i Atlas", dia alaivo an-tsaina raha mianjera tokoa ny lanitra sy ny kintana, fa ho potika ny tany sy ny olombelona! Amin'i Ayn Rand ary dia ny olon'ny saina (entrepreneurs, inventeurs, sns) no tena "ATLAS". - Hitantsika araka izany fa tsy olana amin'i Rand mihitsy ny fitiavan-tena (égoisme) amin'ny lafiny ara-etîka, fa vahaolana aza satria ahafahana miaina ny fahafahana: saingy avahany kosa ny "fitiavan-tena ara-drariny sy madio" (amour de soi, égoisme rationnel) sy ny "fitiavan-tena tsy ara-drariny" (égoisme irrationnel). Tsy olana amin'ny olona tia ny tenany (égoisme rationnel) ny manampy ny hafa raha sitrapony izany, fa tena olana goavana kosa raha terena izy hanao izany. Inona ny olana raha mankafy ny fiainana ianao kanefa tsy manelingelina ny hafa?
Hametraka hevitra
Midira aloha