L'objectivisme-Philosophie d'AYN RAND (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 154
Mpanoratra Elysé Azrael
Ayn Rand: Filôzôfa vehivavy Amerikana, mpitolona ho an'ny fahafahana sady "Sojaben'ny foto-pisainana Amerikana".
Pejy 5
Farany dia marihiko fa "athée" (tsy mino an'Andriamanitra) i Ayn Rand. Tsy tokony ho sakana ho antsika kristiana tsy handray ny heviny sasany anefa izany, satria iarahantsika manaiky aminy fa mila miezaka, sy mampiasa saina isika. Amintsika Kristiana dia Andriamanitra no namorona ny saintsika, ary azo tefena sy ovaina ho tsara sy entina hanatsarana ny fiainana ny saina matoa ny Tenin'Andriamanitra hoe "miovà ho amin'ny fanavaozana ny Saina" (Rom 12:2). Matoa mandroso ny Amerikana nanaraka ny foto-pisainany, dia misy zavatra betsaka marina izay voalazan'i Ayn Rand na dia tsy izy rehetra aza.
Te hisarika ny saintsika Malagasy aho mba hanana toe-tsaina tia mamorona, tia mikarokaroka: forony ny lamaody, ny kilalao, ny tantara, ny fanafody, ny sary, ny tononkalo, ny zavakanto, ny maha ianao anao... Ary aza mianina amin'izay "heverinao ho lahatra sy anjara" raha tsy afa-po nampiasa saina sy nisafidy! Za manokana dia te ho "Amerikana Kristiana", fa asa ianareo! Objectiviste aho, j'y adhère!
154 1

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0105