L'objectivisme-Philosophie d'AYN RAND (Elysé Azrael)
Ayn Rand: Filôzôfa vehivavy Amerikana, mpitolona ho an'ny fahafahana sady "Sojaben'ny foto-pisainana Amerikana".
Pejy 3
- Fahatelo, ny fanjakana sy ny fiaraha-monina dia tokony hitandrina mba tsy hamotika ny fahafahan'ny tsirairay, satria ny olona afaka no mahay mampiasa ny sainy: amin'i Rand dia ny politika kapitalista "laissez-aller" no politika mahomby indrindra. Tsy tokony terena hanampy na hanome ny olona tsy miezaka ny olona miezaka! ("izaho ve no namono voay dia ialahy no hiravaka ny vanginy?). Raha terena hanao izany ny "olon'ny saina" dia vahaolana ny fitokonana: tsy manome ny voka-pikarohany ny mpikaroka fanafody na sakafo na mpamorona kilalao, tsy manome tononkalo ny mpanoratra, tsy mampiasa olona ny orinasa fa akatona, tsy mamoron-kira ny mpihira, tsy mety hiasa ny dokotera, ny mpandrafitra, ny mpamboly sy mpiompy tsy mety hivarotra ny vokany... Potika ny fiaraha-monina tsy misy olon'ny Saina, potika koa ny fiaraha-monina raha migrevy izy ireo! Izany fomba fisainana izany no voizin'ny ATLAS SHRUGGED.
Hametraka hevitra
Midira aloha