Mora manadino ny Malagasy (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 11
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 2
Eto dia mba tsy hanadinoako manokana, dia hamerin-desona izay nitranga hatramin'ny nahatsiarovako saina aho: Ratsiraka no nanorina ny Lapa Iavoloha, izy dia nanafatra fitaovam-piadiana mahery vaika tamin'ny 2002 noho ny ady politikan'izy sy Ravalomanana saingy tsy tafiditra teto Madagasikara fa voasakana tao Afrika atsimo; tamin'io grevy 2002 io dia matetika izahay mianakavy kely no tsy nahita vary sy PPN hovidina, fa toa hoe nobarazian'ny Betsimisaraka tany Brickaville hono ny entana tsy hiditra taty afovoan-tany: nisy fotoana dia vatomamy gasy no atao amin'ny café mba hahamamy azy fa tsisy ny siramamy tamin'izany. Rehefa tafapetraka tsara ny maha Filoha an'ingahy Ravalomanana, dia nahazo fanomezana maro be avy aminy ny Pastora FLM, anisany i dadanay: nahazo vary, vola, menaka, vovo-dronono, bisikileta; ny Fokontany sy Kaominina maro (anisany ny anay) dia nahazo tuyaux be dia be hanaovana paompy hahazoana rano fisotro madio.
11

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0102