Mora manadino ny Malagasy (Elysé Azrael)
Pejy 5
Tetik'asa SAHOFIKA, VOLOBE, sns. dia naman'ny hadino tanteraka. Torak'izany koa ny RN13, ny drônes hanenjehana dahalo, ny puces amin'ny omby sy ny maro hafa efa hadino nefa vao haingana. Tsy fanahy niniana nohadinoina fa mafy loatra ilay fiainana sy ny fiasan-doha.Ireto zavatra ireto dia tsaroako nanamarika nandritra ny fitondrana Rajoelina koa: halatra lakolosy, nisy mpividy vorondolo sy vorona matory andro, mpividy tavoahangy damizana sy vilany cocotte misy soratra hoe RF, halatra voamaso, halatra olona varira, fividianana ireny vola taloha be ireny, vary tsinjo sy tosika fameno,halatra sy fanondranana volamena 73kg, vary namidy tamin'ny kapoaka madico tany Ikongo,sy ny sisa efa hadio.
Ary farany dia te hanentana ny Malagasy rehetra aho tsy hanadino loatra na dia izany aza. Aza hadinoina fa nandevozin'ny Frantsay isika, aza adino fa ambakaina hatramin'izao isika, aza adino fa mila mamokatra isika, ary aza adino fa hijaly toa antsika ny taranatsika raha tsy mampandroso an'i Madagasikara dieny izao isika.
Hametraka hevitra
Midira aloha