Mora manadino ny Malagasy (Elysé Azrael)
Pejy 4
Fanamarihana: tsy nisy bilans positifs mihitsy TADIDIKO nandritra ny tetezamita 2009. Ny mpomba an-dRajoelina dia raikitr'anarana hoe "foza orana", satria saika ireo olona eny ambany tanàna malotoloto sy 4-mi (mifoka,migoka,miloka, mivaro-tena no fanalavàna ny 4-mi ho an'izay tsy mahay) voakarama vola avokoa no noentiny higrevy tao Antananarivo tamin'izany. Nanjary "kolontsaina maloto" nitaizany ny Malagasy io fizaram-bola isaky ny misy tolona io.Fanamarihana iray koa: ingahy Norbert Lala Ratsirahonana, izay efa Praiministra, Mpahay Lalàm-panjakana (juriste publiciste) nikoizana, ary efa Filoham-panjakana teto Madagasikara koa, dia olon'ny tantara nampanontany tena ahy matetika. Hatramin'ny Repoblika faharoa ka hatramin'izao mananontanona ny Repoblika fahadimy izao, dia "izay ombany dia tsy maintsy mandresy, izay ialany tsy maintsy resy", ary saika izy avokoa no tena nanoratra ireo Constitution an'ireo Repoblika miisa 4 ireo!
Hametraka hevitra
Midira aloha