Mora manadino ny Malagasy (Elysé Azrael)
Pejy 3
Ny tena nahatsiarovako an'i Filoha Ravalomanana Marc dia ny kits scolaire: T4 aho no nizarana cartable marron izay avokoa izahay, ary efa nisy crayons de couleurs, compas, stylos, ary cahier iray tao anatiny! Tsy nividianana cartable intsony aho raha tsy efa 3eme, fa tena tsara sady nateza ilay izy.2009 dia naongan'i Rajoelina i Ravalomanana raha vao roa taona ny mandat faharoa. "Zandry kely" no surnom-ny satria vao 35 taona teo ho eo izy tamin'izany no tafakatra tampoka ho Filohan'ny Tetezamita. Zava-doza no nahazo ny mpiompy omby tamin'io fionganan-dRavalomanana io, satria tsy nisy orinasa nandray ny ronono intsony fa nodoran'ny mpomba an-dRajoelina avokoa ny orinasa Magro, Tiko, sns: tsaroako mihitsy satria classe de 2nd aho tamin'izay, dia 200ar tampoka ny Litatry ny ronono! Niely dia niely ny vola sandoka, nanjaka ny asan-dahalo indrindra fa ny halatra omby sy olona, tratry ny "notam" hatrany Ravalomanana ka tavela tao Swaziland tao Afrika atsimo.
Hametraka hevitra
Midira aloha