NY FANARAHAN-DRAFITRA ANIVON'NY FLM (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 21
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
Misy Lalampanorenana sy Fitsipika manan-kery mifehy ny FLM, izay mampijoro ny rafitra eo anivon'izany Fiangonana izany. Voaresaka matetika ny hoe "manara-drafitra, manavao rafitra, manova rafitra, manaja rafitra", saingy ilay "RAFITRA" mihitsy no tsy fantatra hoe inona? Ireto teny manaraka ireto dia azo adika hoe "rafitra" avokoa: institution, ordre, procédure, hiérarchie, régime.
1.1.RAFITRA=INSTITUTION
Ny rafitra-institution dia azo adika ara-bakiteny hoe "zavatra ajoro na apetraka, foronina mba haharitra sy hanana fahefana" (du latin instituere:établir quelque chose de stable). Ohatra: ny zava-boahary, ny Fiangonana (institué par Dieu), ny Lalàna (tsy manara-dalàna=tsy manara-drafitra), Teny sy Sakramenta (nisy Teny nanorenana,donc rafitra). Ny loharano fototra nisian'ny rafitra voalohany ary dia Andriamanitra.
1.2.RAFITRA=ORDRE
Ny ordre dia azo adika hoe "fandaminana, filaminana, baiko", fa eto izy dia RAFI-PANDAMINANA. Ny tsy fanekena fandaminana izany dia tsy fanarahan-drafitra.
21

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0349