NY FANARAHAN-DRAFITRA ANIVON'NY FLM (Elysé Azrael)
Pejy 3
1.3.RAFITRA=PROCEDUREFomba fiasa, fepetra arahina amin'ny fanatanterahana asa, dingana, fanarahana ambaratonga sy antanantohatra, dia azo andikana ny hoe procédure avokoa. Tsy azo disoina ny procédure (vice de procédure: ohatra tsy ampy sonia isan-karazany, tsy nandalo Pastora, tsy nandalo Komity fa AVY HATRANY DIA SYNODA DIA "SADY TSY AZO RAISINA NO TSY MITOMBINA"), tsy azo atao araka izay itiavana azy na ovaina am-panidinana (détournement de procédure), fa tsy voahaja ny rafitra raha izay no misy. Ao amin'ny Lalampanorenan'ny FLM FIZARANA II ANDININY 10 ANDALANA 1-2 ohatra dia mametraka fa mila mandalo "ambaratonga mpanatanteraka" (komity TARIHIN'NY PASTORA) ny fanapahan-kevitra vao miakatra amin'ny "ambaratonga mpanatanteraka" (birao IZAY TARIHIN'NY PASTORA). Ny fanapahan-kevitra hametra-pialana (démission) na ny fampiatoana tsy ho komity dia tsy ilàna hevitry ny komity na ny birao, fa tapaky ny Pastora samirery, ary MANAN-KERY AVY HATRANY RAHA VAO VOAMBARA.

Hametraka hevitra
Midira aloha