NY FANARAHAN-DRAFITRA ANIVON'NY FLM (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 231
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 4
Ny fitantanam-bola manokana (Gestion financière) eo anivon'ny Fiangonana dia manaraka ny fitsipika ankapoben'ny fitantanam-bola ny FLM, araka ny voalaza ao amin'ny SAVARANONANDON'NY LALAMPANORENAN'NY FLM hoe "manaiky sy mankato ny lalam-panjakana momba ny Fiangonana ny FLM". Apetrak'ireo Lalampiangonana sy Lalam-panjakana ireo fa ny Pastora no "ordonnateur principal" amin'ny FLM, ary ny Katekista/Filoha no "ordonnateur sécondaire" REHEFA TSISY PASTORA. Ny ordonnateur dia "décideur financier" na mpanapa-kevitra ara-bola; ny fototenin'ny hoe ordonnateur dia "ordre" na BAIKO (FA TSY FIANGAVIANA!), ary ny famoaham-bola rehetra fandaniana (dépenses) dia TSY MAINTSY SONIAVIN'NY ORDONNATEUR (PASTORA). Ao anatin'ny lalàn'ny fitantanam-bola koa ny fitsipika milaza fa "samy hafa ny ordonnateur sy ny comptable/trésor" (principe de séparation entre ordonnateur et comptable). Noho izany dia ny Pastora no mibaiko ny mpitahiry, fa tsy ny komity na birao, ary mandray sy mamoaka vola avy amin'ny baikon'ny Pastora no asany.
231

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0574