NY FANARAHAN-DRAFITRA ANIVON'NY FLM (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 24
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 2
Ny Pastora no mpandamina voalohany ao amin'ny rafitry ny FLM (mbola hotsindriana izany eo amin'ny fanazavana ny rafitra procédure sy hiérarchie ary régime). Raha misy zavatra mahakasika ny rafitra fototra (Fiangonana) sy ny rafitra sampana (sampam-pikambana&sampan-draharaha) mila alamina (ady, fivoriana, sns) dia tsy maintsy ny Pastora no ampandrenesina sy akana hevitra/alalana voalohany; izy no mandamina hoe: inona no "ZAVA-DEHIBE (ESSENTIEL)" izay vao ny "MARIMARITRA IRAISANA (OPTIONNEL)". Manana "droit de veto" manokana mihitsy aza izy amin'ny raharaha ministerialy toy ny Batisa, Absolisiona, Excommunication, sns. Rafi-pandaminana avokoa itony fitsipika itony: "tsy mitehaka ny FLM ao am-piangonana, olona nianatra Soratra Masina sy niofana ihany no mahazo mitoriteny, 30000 ar isan'andro ny indemnité synodaly, ao anaty protocole na arofenitra dia ny Pastora no mamarana fandraisam-pitenenana...". Mahazo mifanaraka hanatsarana ny rafi-pandaminana ny komity sy ny Pastora rehefa misy antony manokana (oh:olana).
24

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114