NY FANARAHAN-DRAFITRA ANIVON'NY FLM (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 27
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 8
FAMINTINANA: misy antony ara-teolojika, ara-pitsipika, ary ara-pampandrosoana ny fanarahana sy fampiharana ary fanajana rafitra (na ordre io, na institution, na hiérarchie, na procédure, na régime). Ara-teolojika, dia didian'Andriamanitra ny Kristiana hanoa manam-pahefana (Rom 13:1), "Andriamanitra tsy Andriamanitry ny fikorontanana". Ara-pitsipika dia mila arahina ny fitsipika mba hanitsiana (correction) ny fivaonana sy ny fandikan-dalàna isan-karazany, ary koa mba hampahomby ny fomba fiasan'ny Fiangonana. Ary farany, amin'ny lafiny fampandrosoana (progrès, développement, croissance) dia ilaina ny rafitra hifampifehezana, fa raha samy hanao izay tiany hatao, raha samy hilaza izay tiany holazaina daholo, dia TSY HISY FAMPANDROSOANA HO VANONA EO ANIVON'NY FIANGONANA. "Ny fahaiza-mandamina no entinao miady" hoy ny mpanao Salamo. FEHINY: HAJAO NY RAFITRY NY FIANGONANTSIKA!
SOLI DEO GLORIA! HO AN'ANDRIAMANITRA IRERY ANIE NY VONINAHITRA.
27

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.075