NY FANARAHAN-DRAFITRA ANIVON'NY FLM (Elysé Azrael)
Pejy 5
1.4.RAFITRA=HIERARCHIENy hiérarchie dia rafitra antanantohatra no dikany. Ao amin'ny hiérarchie dia TSY MAINTSY MISY AMBONY SY AMBANY. Ohatra: hiérarchie militaire (rafitra miaramila) dia misy ambony sy ambany grady, hiérarchie des normes (antanatohatry ny lalàna) dia lalàna faratampony ny Lalàmpanorenana, sns. Tsy ny olona no misy ambony sy ambany ("ny mino rehetra dia samy mpisorona"), fa ny asa sy ny rafitra misy no ambony sy ambany, nefa mifameno (accéssoire).
Inona moa ny accéssoire?="madinidinika anefa manan-danja, afaka misy afaka tsy misy!". Ohatra: ny frein sy ny lasely dia accéssoire amin'ny bicyclette, saingy andramo ny mitondra bicyclette tsisy frein na lasely! Na dia heverina ho ambany aza ny asa fanompoana sasany dia TENA ILAINA AO ANATY RAFITRA. Raha ny marina dia asan'ny Pastora avokoa ny "mampaneno lakolosy, mamafa fiangonana,mitendry,mitarika,mampianatra Sekoly Alahady,mandroaka devoly,sns" saingy zaraina amin'ny "MPIARA-MIASA"(diakona,mpiandry,sns).

Hametraka hevitra
Midira aloha