NY FANARAHAN-DRAFITRA ANIVON'NY FLM (Elysé Azrael)
Pejy 7
1.5.RAFITRA=REGIME"Rafi-pitondrana, politikam-pitondrana, mpitsompitsony, ideolojiam-pitondrana" dia samy azo andikana ny hoe régime. Ohatra: régime juridique (mpitsompitson-dalàna mifehy zavatra, oh: mifehy fifidianana), régime alimentaire (mpitsompitson-kanina hanangezana na hampihenana vatana), sns. Ny régime-rafitra fitondram-piangonana manokana dia ireto 3 ireto no malaza sy matetika: régime synodaly (FLM), régime episkopaly (EKAR), régime kaongregasionaly. Ny rafitra Synodaly manokana dia midika ara-bakiteny hoe MIARA-DALANA (du grec sun=ensemble+odos=chémin): miara-dalana mampiakatra ny hetaheta, ny adidy, sns (izay ilay hoe:"teny miakatra ifampierana"), ary avy eo dia miara-dalana manatanteraka izay teny midina nifanarahana isika (izay ilay "teny midina ifampitondrana"). Misy mihevitra mantsy fa "fandatsahan'ny Synoda sy ny tariny BULLE" ny rafitra synodaly, kanefa ny mifanohitra amin'izany aza no izy. Tsy fanapahan-kevitr'olon-tokana na olom-bitsy no ampiharina amin'ny rafitra synodaly.

Hametraka hevitra
Midira aloha