Ny réalité eto Madagasikara (Elysé Azrael)
Pejy 2
Raha ny lafiny Lalàna indray no jerena dia "lavitry ny afo ny kitay" raha izany tany tan-dalàna (Etat de Droit) sy demôkrasia izany no resahina. Ny tany tan-dalàna dia midika hoe samy fehezin'ny lalàna avokoa na ny mpitondra na ny vahoaka. Mbola re sy iaraha-mahita eto Madagasikara anefa ny fisian'ireo "tsy maty manota". Fandaniam-bola fotsiny sady tsangan'olona ihany ny Fitsarana Avo na ny HCJ (Haute Cour de Justice), fa tsy misy sady tsy hisy Filoha na Mpitondra ambony hotsarainy izany ao!Ny resaka Demokrasia liberaly koa dia fandrebirebena, satria fanajana ny zo fototra maha olona (libertés fondamentales) no manjaka vao hisy izany. Ialahy aza vao maneho hevitra mitsikera mpitondra, avy hatrany dia lacrymogène sy "gagazo"! Ary ny "lalàna sanàna eto Madagasikara" dia milaza fa mila autorisation amin'ny préfet vao afaka midina an-dalambe maneho hevitra, ka efa fantany fa hanozongona ny sezany, ka tsisy alalana homeny izany mihitsy eo e! (raha tsy hoe mitapy ngah izy!).

Hametraka hevitra
Midira aloha