Ny réalité eto Madagasikara (Elysé Azrael)
Pejy 5
Tsy ho voatanisa eto avokoa ireo mila harenina, fa sady kisendrasendra angamba vao hisy mpitondra hahavaky itony pejy itony, fa ny hamaranako azy dia izao: ny Kere any atsimo! Vao nifoha saina aho no nahare fa misy kere any atsimo, ary miha antitra ihany aho ity fa kere ihany ny any atsimo hatramin'izao! REHEFA HAKA ANTSOKOSOKO NY HARENA AN-KIBON'NY TANY ZALAHY, DIA MAHAVITA PIPELINE MAMPITOHY AN'I MORAMANGA SY TOAMASINA, FA REHEFA RANO HOSOTROIN'NY ANY ATSIMO DIA TSY MAHAVITA. Fantatra miharihary izao fa hanaovana "mi-mi" amin'ny Mpamatsy Vola no tena antony tsy amahana io olan'ny kere any atsimo io!Tsy ho voaresako eto avokoa ny olan'ny fampianarana, ny fahasalamana, ny Kolikoly manokana dia mbola mba hitondrako famakafakana eto, ny olan'ny delestazy sy ny rano fisotro madio, ny asa maloto, ny varo-maizina, ny tsy fandriam-pahalemana, ny olan'ny tantsaha sy ny mpiasa madinika, sns. Fa ny tiako haseho amin'izay mamaky dia izao: TSISY AVENIRA ETO MADAGASIKARA ALOHA HATRETO!

Hametraka hevitra
Midira aloha