Ny réalité eto Madagasikara (Elysé Azrael)
Pejy 3
Any amin'ny tany mandroso tahaka ny USA, dia fampahafantarana mialoha no atao fa tsy mila fakana autorisation izany. Tsarovy fa ny libertés fondamentales dia miara-teraka aminao ka "contester ton droit révient à contester ton humanité même" hoy Nelson Mandela. Izay no tsy iantsoana azy hoe "ZON'OLOMBELONA" fa "ZO FOTOTRA MAHA OLONA". Ka isika manaiky lembenana io kanefa itsahin'ny sasany ny zontsika, dia tadidio fa tsy mihevitra antsika ho olona intsony ireo.Ny sata mifehy ny fokontany sy ny fokonolona koa dia mila resahina: sady tsy Décentralisation (mahaleo tena sy fidiana) mantsy io no tsy Déconcentration (tendrena)! Ny tena marina dia mody asaina mifidy isika fa avy eo izay metimety amin'ny chef de district ihany no apetraka ho Sefom-pokontany. Io dia fomba tsy mety diso hangalaram-bato. Ka raha tiana marina ny handroso dia mila jerena avokoa ireo resaka Etat de Droit, Libértés Fondamentales ary Fokontany, sns ireo. Ary mba asiana fandinihana ny "FOKONOLONAUCRATIE".

Hametraka hevitra
Midira aloha