Ny réalité eto Madagasikara (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 203
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 4
Ara-ekonomika dia ambany dia ambany ny fahefa-mividin'ny Malagasy. Efa vola ho iray borety no entina eny antsena fa tsy mety feno ny bazary. Zavatra tsy fantatra eto Madagasikara mihitsy koa izany indemnité de chômage (fantaro fa mahazo vola avy amin'ny fanjakana isam-bolana ny tsy an'asa any @ tany mandroso), sécurité sociale (rehefa marary aty Madagasikara dia na dokotera tenany na mivaro-pananana hidirana hopitaly na manomana eritreritra ka vavaka sisa atao betsaka!), fonctions régaliennes (andraikitry ny fanjakana sady tsy maintsy vitainy ny défense, diplomatie, justice, santé publique, fiscalité).
Raha ny harena eto Madagasikara no jerena dia tsy tokony hisy Malagasy hahantra izany intsony: alaivo sary an-tsaina hoe ohatrinona ny vidin'ny graman'ny volamena?ary 1000g ny iray kilao, dia firy tapitrisa ny 1kg fotsiny? Nefa 73kg no hoe very anjavony fotsiny teto M/kara, KANEFA RAHA NY VIDIN'IZAY NO NOZARAINA MANTA HO AN'NY MALAGASY DIA TENA MBOLA NISY AMBINY!
203

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0087