réalités spirituelles (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 82
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
"Tsy amin'ny ady hevitra no ahitana an'Andriamanitra, fa amin'ny fivavahana sy ny fandinihana mangina", hoy Bernard de Clairvaux. Marina loatra io teny io, ary vao mainka tsapa ny fahamarinany rehefa miditra lalina amin'ny tontolo ara-panahy isika. Tsapa fa ny fisainana dia tsy mahatakatra ny tontolon'ny ara-panahy, raha tsy sintonin'ny finoana sy ny fivavahana...
Ny "réalités spirituelles" dia ireo zava-misy ara-panahy manodidina antsika isan'andro, kanefa amin'ny ankapobeny dia tsy hitantsika sy tsy tsapantsika. Hiezaka hanome ohatra maro aho, ary hojerentsika amin'ny farany hoe: nahoana no tsy tsapantsika amin'ny fotoana rehetra ny "réalités spirituelles"?
-NY ANJELY MPIAMBINA: Ao amin'ny Salamo ao dia misy filazana fa "ny anjelin'i YHWH dia mitoby manodidina izay matahotra azy". Tamin'ny Moyen-Age (V-VIeme siècle) dia natao sary mihitsy fa isan'andro dia misy anjely masina iray sy devoly manaraka anao isan'andro! Tsarovy ary fa tsy irery ianao isan'andro, fa eo foana ireo "anjely" ireo...
82

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0373